Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Mpitoriteny 3:22 - DIEM PROTESTANTA

22 Tsapako fa tsy misy tsara ho an’ny olombelona afa-tsy ny mifaly amin’ny vokatry ny asany. Tokony hionona amin’izany anjarany izany izy, satria tsy misy hampahita azy izay hitranga any aoriany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

22 Efa hitako fa tsy misy tsara noho ny ifalian’ny olona amin’ny asany satria izany no anjarany; fa iza no hitondra azy hiverina mba hahita izay ho avy any aorianany?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

22 Tsapako fa tsy misy tsara ho an’ny olombelona afa-tsy ny mifaly amin’ny vokatry ny asany. Tokony hionona amin’izany anjarany izany izy, satria tsy misy hampahita azy izay hitranga any aoriany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

22 Ka dia hitako fa tsy misy soa ho an’ny olombelona, mihoatra ny mifaly ao amin’ny asany; fa izany no anjarany. Fa aiza moa no mety hahafantarany izay ho avy any aoriany?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

22 Dia efa hitako fa tsy misy tsara noho ny ifalian’ny olona amin’ny asany, satria izany no anjarany; fa iza no hampahalala azy izay ho avy any aoriany?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

22 Dia efa hitako fa tsy misy tsara noho ny ifalian'ny olona amin'ny asany, satria izany no anjarany; fa iza no hampahalala azy izay ho avy any aoriany?

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitoriteny 3:22
24 Rohy Ifampitohizana  

Omem-boninahitra ny zanany, nefa tsy fantany; ary tonga afa-baràka ireo, nefa tsy hitany.


Tsy mitsaha-miteny ny adala; kanefa tsy misy olona mahalala akory ny hoavy. Tsy misy mahalaza amin’ny olona izay hitranga aorian’ny fahalasanany?


Mifalia, ry zatovo, amin’izao fahatanoranao izao; eny, miravoravoa mandritra izany fotoanandro izany. Ataovy izay mahadiavolana ny fonao sy izay mahafinaritra ny masonao. Nefa aoka ho fantatrao fa amin’izany rehetra izany dia hotsarain’Andriamanitra ianao.


Halako ny fisasarana rehetra nataoko tetỳ ambonin’ny tany, satria izay rehetra vitako dia tsy maintsy havelako ho an’ny mpandimby ahy.


Ny hany fahasambaran’ny olona dia ny mihinana sy ny misotro ary ny mifaly amin’ny valin-kasasarany. Tsapako fa avy amin’Andriamanitra izany fahasambarana izany;


Mamakivaky ny fiainana toy ny fihelin’ny aloka ny olona. Iza no mahafantatra izay mahasoa ny olona amin’izao fiainana izao mandritra ny fotoana fohy iainany? Tsy misy hahalaza amin’ny olona izay zavatra hitranga eto ambonin’ny tany aorian’ny fahalasanany.


Amin’ny androm-pahasambarana dia aoka ho sambatra; fa amin’ny androm-pahoriana kosa dia mieritrereta. Samy nataon’Andriamanitra na ny fahasambarana na ny fahoriana mba tsy hahafantaran’ny olona akory izay hitranga amin’ny hoavy.


Raha ny amiko, dia deraiko ny fifaliana, satria ny hany fahasambaran’ny olona eto ambonin’ny tany dia ny mihinana sy misotro ary miravoravo. Izany no tokony hanaraka ny asany mandritra ny andro omen’Andriamanitra hiainany etỳ ambonin’ny tany.


Tsy fantany akory izay zavatra ho avy. Iza no hampahafantatra azy ny ho fitrangan’izany?


Tsy misy olona mahafantatra ny fotoana hiavian’ny loza. Fa toy ny trondro azon’ny harato, ary tahaka ny voron-kely voam-pandrika no hahitany loza mahavoa azy tampotampoka.


Ka na ny fitiavany na ny fankahalany na ny fialonany dia samy efa levona hatry ny ela; ka tsy manana anjara intsony amin’izay zavatra atao etỳ ambonin’ny tany izy.


Fa ianao, ry Daniela, mizora hatramin’ny farany; dia hiala sasatra ianao ka hitsangana handray ny valisoanao amin’ny andro farany.› »


Noho izany, aza manahy ny ho ampitso ianareo; satria ny ampitso hanahy ny ho azy, fa ampy ho an’ny andro anio ny fahoriana mitranga eo aminy.


Fa eo anoloan’ny Toeramasina, ao amin’ny faritra nofidian’ilay TOMPO Andriamanitrareo, no hihinana izany ianareo mbamin’ny zanakareo sy ny mpanomponareo ary koa ny Levita izay ao an-tanànanareo; eny, hifaly eo anoloan’ny Toeramasin’ilay TOMPO Andriamanitrareo ianareo amin’izay fiharian-karena rehetra nataonareo.


Ao ianareo sy ny ankohonanareo no hanao sakafo sy hifaly eo anoloan’ny Toeramasin’ilay TOMPO Andriamanitrareo noho ny fiharian-karena rehetra nitahiany anareo.


Noho ianareo tsy manompo amin-kafaliana sy risipo ilay TOMPO Andriamanitrareo, fony ianareo nanam-be tamin’ny zavatra rehetra,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra