Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Mpitoriteny 3:2 - DIEM PROTESTANTA

2 Misy ny fotoana ahaterahana ary misy ny fotoana ahafatesana; misy fotoana ambolena ary misy fotoana anongotana ny nambolena;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Ao ny andro iterahana ary ao ny andro ahafatesana; ao ny andro ambolena ary ao ny andro anongotana ny nambolena;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Misy ny fotoana ahaterahana ary misy ny fotoana ahafatesana; misy fotoana ambolena ary misy fotoana anongotana ny nambolena;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 fotoana hahaterahana, ary fotoana hahafatesana; fotoana hambolena, ary fotoana hanongotana izay nambolena.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Ao ny andro ahaterahana, ary ao ny andro ahafatesana; Ao ny andro ambolena, ary ao ny andro anongotana ny nambolena;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Ao ny andro ahaterahana, ary ao ny andro ahafatesana; Ao ny andro ambolena, ary ao ny andro anongotana na nambolena;

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitoriteny 3:2
36 Rohy Ifampitohizana  

Fa ny fanekempihavanako kosa dia haoriko amin’i Itsehàka, izay haterak’i Sarà ho anao amin’ny herintaona toy izao.


Ary rehefa akaiky ny andro hahafatesan’i Jakôba, dia niantso an’i Jôsefa zanany izy ka nanao taminy hoe: –Raha tia ahy ianao, dia asehoy amiko ny fitiavanao sy ny toetranao mahafatra-po, aza alevina aty Ejipta aho. Mianiàna amiko ianao, ka ataovy ato ambany feko ny tananao.


Ary nanao antso avo nanohitra io alitara io, araka ny baikon’ny TOMPO, ilay olon’Andriamanitra ka nanao hoe: –Ry alitara ô, ry alitara ô, izao no lazain’ny TOMPO: «Hisy zazalahy ho teraka ao amin’ny fianakavian’i Davida, ka ny anarany hatao hoe Jôsià. Eo aminao, ry alitara ô, no hovonoiny ho faty ka hataony sorona ireo mpisoron’ny toeram-panasinana ireo, izay nandoro sorona hanetona teo aminao; ary taolan’olona aza no hodorana eo aminao.


ary nilazan’i Elisà hoe: –Amin’ny herintaona tahaka izao dia hitrotro zazalahy ianao. Fa hoy kosa ravehivavy: –Tsia, tompoko ô! Olon’Andriamanitra ianao ka aza mandainga amiko!


Nefa moa ho velona indray va ny olona maty? Raha izany dia ho niandry isan’andro aho mandritra ny fotoana manontolo fanompoako, mandra-pahatonga ny famotsorana ahy.


Koa satria voafaritra ny androm-piainan’ny olona, voatendrinao ny isan’ireo volana hahavelomany, ary nasianao fetra tsy azony ihoarana,


Mafy tahaka ny asa fanompoana ny fiainan’ny olombelona eto an-tany; ary toy ny andron’ny mpikarama no mahamàzana ny androny.


mahatonga ny momba ho heni-kafaliana Izy satria manome azy trano honenana sy zaza maro.


tsy mba ny tsara no tianao fa ny ratsy, tsy mba ny marina fa ny lainga. Fiatoana


Vitao aloha ny asanao any ivelany ary ataovy vonon-kamokatra ny saha, vao izay ianao no manangana ny tranonao.


Ny tantsaha izay te hanao famafazana dia tsy revo miasa tany fotsiny na manoritsoritra sy mandamaka azy.


Tamin’izany andro izany, dia narary efa ho faty i Hezekià. Tonga nitsidika azy i Isaià mpaminany, zanakalahin’i Amôtsa, ary nilaza taminy ny tenin’ny TOMPO hoe: «Ataovy ny fara hafatrao amin’ny ankohonanao, satria efa ho faty ianao fa tsy ho velona.»


handeha hilaza amin’i Hezekià hoe: «Izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’i Davida razambenao: Reko ny vavakao ary hitako ny ranomasonao, ka hampiako 15 taona ny andro hiainanao.


Miravoravoa ianao, ry Jerosalema izay momba tsy niteraka; ianao izay tsy nihetsi-jaza akory, manaova horakora-pifaliana ka mihobia satria hoy ny TOMPO aminao: «Ry ilay mpitondratena, maro ny zanakao noho ny zanaky ny manam-bady.»


Jereo fa omeko fahefana ianao anio amin’ireo firenena sy fanjakana mba hanongotra sy hanjera, hanapotika sy handrava, ary hanorina sy hamboly.


Noho izany, dia izao no hafatry ny TOMPO asainy ampitaiko aminao: «Eo am-pandravana izay naoriko Aho izao ary eo am-panongotana izay namboleko; ary korontaniko ny tany tontolo.


Hirahin’ny Zanak’olona ny anjeliny; ary ny anjely no hanaisotra tsy ho eo amin’ny Fanjakan’ny Zanak’olona izay rehetra mpitaona ny hafa hanota sy izay mpanao ratsy,


Fa novalian’i Jesoa hoe: –Ny voly rehetra tsy nambolen’ny Raiko Izay any an-danitra dia hongotana.


Fa hoy ilay anjely taminy: –Aoka izay ny tahotra, ry Zakarià, fa efa nohenoin’Andriamanitra ny vavakao: Hiteraka zazalahy aminao i Elizabeta vadinao. I Jôhany no hataonao anarany.


Noho ianao tsy nino ny teniko izay tsy maintsy ho tanteraka amin’ny fotoana voatendry dia ho moana ianao ka tsy afa-miteny mandra-pahatongan’izany.


Ary indro i Elizabeta havanao efa mitoe-jaza koa, na iny izy antitra iny aza, ary efa bevohòka enim-bolana izao ilay natao hoe momba.


Ory ny vehivavy, rehefa hiteraka, satria tonga ny fotoam-panaintainany; saingy rehefa velon-jaza izy, dia tsy tsaroany intsony izay fahoriany, noho izy faly fa hoe misy olona teraka eo amin’izao tontolo izao.


Tamin’izay dia nitady hisambotra Azy ny olona, kanefa tsy nisy naninji-tanana taminy satria tsy mbola tonga ny fotoanandron’i Jesoa.


Rehefa nanakaiky ny fotoana hanatanterahan’Andriamanitra ny fampanantenana nataony tamin’i Abrahama, dia nitombo ny firenentsika tany Ejipta ka tonga nihamaro be.


Tamin’izany fotoana izany no nahaterahan’i Mosesy, zazalahy mahatehotia teo imason’Andriamanitra. Notezaina telo volana tao an-tranon-drainy izy;


fa rehefa tonga tokoa ny fotoanandro, dia nirahin’Andriamanitra ny Zanany: natera-behivavy io Zanany io ary niaina teo ambany fahefan’ny lalàna jiosy,


Teo no nahafatesan’i Mosesy, ilay mpanompon’ny TOMPO, dia teo amin’ny tany Môaba araka ny tenin’ny TOMPO.


Tendry ho an’ny olona tokoa ny ho faty indray mandeha, ary avy eo dia hotsarain’Andriamanitra izy;


Mikarama hahazoana mofo ireo voky taloha, fa ny noana kosa efa manan-kohanina. Impito niteraka ny vehivavy momba, fa ireo mpiteraka kosa nitsaha-jaza.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra