Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Mpitoriteny 2:4 - DIEM PROTESTANTA

4 Nanao asa lehibe ho ahy aho: nanangana trano maro ho ahy ary namboly voaloboka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Nanao asa lehibe aho: Nanangana trano maro, nanao tanim-boaloboka;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Nanao asa lehibe ho ahy aho: nanangana trano maro ho ahy ary namboly voaloboka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 Nanao asa lehibe aho, nanorina trano ho ahy; namboly tanimboaloboka ho ahy aho,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Nanao asa lehibe ho ahy aho, nanao trano, nanao tanimboaloboka,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Nanao asa lehibe ho ahy aho, nanao trano, nanao tanim-boaloboka,

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitoriteny 2:4
17 Rohy Ifampitohizana  

Avy teo dia hoy koa ireo hoe: «Andeha isika hanorina tanàna misy tilikambo mahatakatra ny lanitra ny tendrony! Amin’izay dia halaza isika ka tsy hiparitaka amin’ny velaran’ny tany.»


Fahavelony i Absalôma dia efa nampanao tsangambato ho azy tao an-dohasahan’ny mpanjaka, fa hoy izy anakampo: «Tsy manan-janakalahy hamelo-maso ny anarako aho.» Koa ny anaran’ny tenany ihany no niantsoany an’ilay tsangambato. Izany no mbola anaovana azy mandraka ankehitriny hoe «Tsangambaton’i Absalôma».


«Aoka hisy fifanekena amiko sy aminao, toy izay nisy tamin-draiko sy tamin-drainao. Indro mampanatitra volafotsy sy volamena ho fanomezana ho anao aho; fa ndeha tsoahy ny fifanekenao tamin’i Bahasà mpanjakan’i Israely mba hialany amin’ny taniko.»


Rehefa vitan’i Salômôna ny fanaovana ny tranon’ny TOMPO sy ny lapan’andriamanjaka ary izay rehetra niriny hatao,


I Simehỳ, avy any Ramà, no mpiandraikitra ny tanimboaloboka. I Zabdỳ, avy any Sefama, no mpiandraikitra ny tahirin-divay any amin’ny tanimboaloboka.


Nanao tilikambo fiambenana ihany koa izy tao an-taniefitra sady nihady lavaka maro ho famorian-drano, satria nanana omby aman’ondry betsaka izy teny amin’ny faritr’i Sefelà sy teny amin’ny lemaka; ary nanana mpiasa tany teny an-kavoana sy mpamboly voaloboka teny an-tanimboaloboka koa ny mpanjaka, satria tia asa tany tokoa izy.


Nasain’i Salômôna niakatra avy any an-tanànan’i Davida ho ao amin’ny trano izay nataony ho azy ny zanakavavin’ny Farao; fa hoy i Salômôna anakampony hoe: «Na dia ny vadiko aza tsy hitoetra ao an-dapan’i Davida mpanjakan’i Israely, satria masina ireo toerana izay efa nidiran’ny Vatamasin’ny TOMPO.»


Samy iaraha-mahita tokoa fa ny olon-kendry dia maty, ny adala sy ny ketrina koa levona, ka mamela ny hareny ho an’ny hafa.


ny malalako amiko dia manimanitra tahaka ny voninkazo dia mamelana any an-tanimboalobok’i Haîna-Gedỳ.


Avia, ry malalako, ndeha isika ho any an-tsaha ka hialina eny anivon’ny voninkazo dia.


Avelao aho hihira ho an’ny sakaizako, dia ny hiran’ny sakaizako momba ny voalobony: Nanana voaloboka iray ity sakaizako teo amin’izay tanety lonaka izay.


Niaraka tamin’izay dia tanteraka tamin’i Nebokadnetsara izany teny izany: Noroahina niala tamin’ny olombelona izy ka nihinana ahitra toy ny omby, ary kotsan’ny ando ny tenany, hany ka ny volon-dohany dia tonga lava toy ny an’ny voromahery ary ny hohony dia tonga nifaraingo toy ny an’ny vorona.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra