Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Mpitoriteny 1:16 - DIEM PROTESTANTA

16 Hoy aho anakampoko: «Indro aho fa nahangom-pahendrena mihoatra noho ireo mpanjaka rehetra nodimbiasako teto Jerosalema.» Ary nanankarem-pahendrena amam-pahalalana momba ny fiainana aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Hoy aho anakampo: Indro, nanangona fahendrena be dia be mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema aho; eny, nahita fahendrena sy fahalalana betsaka aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Hoy aho anakampoko: «Indro aho fa nahangom-pahendrena mihoatra noho ireo mpanjaka rehetra nodimbiasako teto Jerosalema.» Ary nanankarem-pahendrena amam-pahalalana momba ny fiainana aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

16 Hoy aho anakampo: Indro efa nahazo ny fahendrena be sy miavosa aho, mihoatra noho izany rehetra talohako teto Jerosalema, ka nanam-pahendrena amam-pahaizana ampy be ny foko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Hoy izaho tamin’ny foko: Indro, izaho nahazo fahendrena be dia be mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema; eny, ny foko nahita ny fahendrena sy ny fahalalana betsaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Hoy izaho tamin'ny foko: Indro, izaho nahazo fahendrena be dia be mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema; eny, ny foko nahita ny fahendrena sy ny fahalalana betsaka.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitoriteny 1:16
20 Rohy Ifampitohizana  

Nefa tsy nino ny filàzan’olona aho, raha tsy tonga sy atỳ, ka ny masoko no mahita. Hay na dia ny antsasany aza tsy voambara tamiko akory. Fa mihoatra lavitra noho ny laza efa reko ny fahendrena sy ny fahamendrehana izay anananao.


Nomen’Andriamanitra fahendrena fatratra sy saina mahiratra tokoa i Salomôna; ary ny zavatra noeritreretiny dia maro toy ny fasika amoron-dranomasina.


dia niteny anakampo i Gehazỳ mpanompon’i Elisà hoe: «Nalefan’ny tompoko tamin’izao fotsiny lahy i Nahamàna ilay Sirianina fa tsy nakany na inona na inona tamin’ny zavatra nentiny. Velona ny TOMPO, ka milokaloka aho fa tsy maintsy hotratrariko iny hahazoako zavatra.»


Ankehitriny, indro irahiko atỳ aminao ny lehilahy anankiray manampahaizana sady mahira-tsaina, dia i Horama-Abỳ


Fantaro kosa fa igagana ny fitiavan’ny TOMPO ahy; henoiny aho rehefa miantso vonjy aminy.


Vetsoiko ny andro fahiny, tsaroako ny taona taloha elabe.


Ary dia hoy aho anakampoko: «Andeha hojerena ny lanjan’ny fifaliana eo amin’ny fiainana, ary hotadiavina ny atao hoe fahasambarana.» Kanjo indro fa zava-poana koa izany.


Dia hoy aho anakampoko: «Satria ny hanjo ny adala ihany no hanjo ahy, inona no tombontsoako amin’ny maha hendry ahy kokoa noho izy?» Ka hoy aho anakampoko: «Zava-poana koa izany».


Tonga olona ambony aho ka nomem-boninahitra mihoatra noho ireo izay nanjaka talohako tao Jerosalema. Nefa, na dia izany aza, dia nijanona ho olon-kendry aho.


Hoy aho anakampoko: «Samy hotsarain’Andriamanitra avy ny olo-marina sy ny olon-dratsy, satria misy fotoany avokoa ny zava-drehetra mbamin’ny asa rehetra.»


Hoy ianao anakamponao hoe: «Manorina lapa miezinezina ho ahy aho miaraka amin’ny rihana malalaka». Dia loahanao hisy varavaran-kely izy sady petahanao valin-drihana sedera ary nasainao nolokoana mena ny rindriny.


Niaraka tamin’izay dia tanteraka tamin’i Nebokadnetsara izany teny izany: Noroahina niala tamin’ny olombelona izy ka nihinana ahitra toy ny omby, ary kotsan’ny ando ny tenany, hany ka ny volon-dohany dia tonga lava toy ny an’ny voromahery ary ny hohony dia tonga nifaraingo toy ny an’ny vorona.


Fa ho an’ny olon-dehibe ny ventin-kanina, dia ho an’ireo efa zatra nampiasa ny sainy hahay manavaka ny tsara sy ny ratsy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra