Mika 6:6 - DIEM PROTESTANTA6 «Inona àry no hoentiko, rehefa manatona aho hiankohoka eo anatrehan’ny TOMPO, Andriamanitra avo indrindra? Moa zanak’omby iray taona hatao sorona dorana manontolo ve no hoentiko rehefa manatona Azy aho? Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20116 Inona no hoentiko manatona NY TOMPO sy miondrika eo anatrehan’Andriamanitra izay any amin’ny avo? Hanatona Azy mitondra fanatitra dorana manontolo sy ombilahy kely izay iray taona va aho? Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara6 «Inona àry no hoentiko, rehefa manatona aho hiankohoka eo anatrehan’ny TOMPO, Andriamanitra avo indrindra? Moa zanak’omby iray taona hatao sorona dorana manontolo ve no hoentiko rehefa manatona Azy aho? Jereo ny tokoBaiboly Katolika6 Inona no hoentiko hanoloana an’i Iaveh sy hiankohoka eo anatrehan’ny Andriamanitry ny any ambony? Hanoloana azy mitondra sorona dorana va aho dia zanak’omby efa iray taona? Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy6 Inona no ho entiko manatona an’i Jehovah Sy miondrika eo anatrehan’Andriamanitra Izay any amin’ny avo? Hanatona Azy mitondra fanatitra dorana Sy ny ombilahy kely iray taona va aho? Jereo ny tokoMalagasy Bible6 Inona no ho entiko manatona an'i Jehovah Sy miondrika eo anatrehan'Andriamanitra Izay any amin'ny avo? Hanatona Azy mitondra fanatitra dorana Sy ny ombilahy kely iray taona va aho? Jereo ny toko |
Ny fety voalohany hankalazainareo dia ny fetin’ny mofo tsy misy leviora: mandritra ny fito andro voatondro amin’ny volana Abiba no hihinananareo ny mofo tsy misy leviora araka izay efa nandidiako anareo. Tamin’io volana io manko no nialanareo tany Ejipta; koa aza miseho eo amin’ny alitarako mitondra tanam-polo.
Fa rehefa ny vahoaka kosa no tonga hiankohoka amiko TOMPO amin’ny fotoan-dehibe, izay miditra amin’ny vavahady avaratra dia hivoaka amin’ny vavahady atsimo; ary izay miditra amin’ny vavahady atsimo dia hivoaka amin’ny vavahady avaratra. Tsy hisy olona hiverina amin’izay vavahady nidirany fa samy hivoaka amin’ny vavahady an-daniny.
Noroahina hiala teo amin’ny olombelona izy, nanam-pironana tahaka ny an’ny biby, niara-nonina tamin’ny borikidia ary nihinana ahitra toy ny omby; sady kotsan’ny ando ny tenany, ambara-piekeny fa Andriamanitra Avo Indrindra no manapaka amin’ny fanjakan’ny olombelona ary manendry izay tiany hanjaka aminy.