Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Matio 9:23 - DIEM PROTESTANTA

23 Nony tonga tany an-tranon’ilay manampahefana i Jesoa ka nahita ny mpitsoka sodina sy ny vahoaka nitabataba

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

23 Ary Jesosy, nony niditra tao an-tranon’ilay mpanapaka ka nahita ny mpitsoka sodina sy ny vahoaka nitabataba,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

23 Nony tonga tany an-tranon’ilay manampahefana i Jesoa ka nahita ny mpitsoka sodina sy ny vahoaka nitabataba

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

23 Nony tonga tany an-tranon’ilay lehibe i Jesoa, ka nahita ny mpitsoka sodina sy ny olona maro nitabataba, dia nanao hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

23 Ary Jesosy, nony niditra tao an-tranon’ilay mpanapaka ka nahita ny mpitsoka sodina sy ny vahoaka nitabataba,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

23 Ary Jesosy, nony niditra tao an-tranon'ilay mpanapaka ka nahita ny mpitsoka sodina sy ny vahoaka nitabataba,

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 9:23
12 Rohy Ifampitohizana  

I Jeremià dia nanao hira fitomaniana an’i Jôsià; ny mpihira rehetra koa na lahy na vavy dia mahatsiahy an’i Jôsià mandraka androany, rehefa manao hira fitomaniana, satria nanjary fanao teo amin’i Israely izany; ary indreo efa voasoratra ho anisan’ny hira fitomaniana ireny hira ireny.


Fa na mpanankarena na mahantra no maty amin’ity tany ity, dia tsy halevina na hitomaniana na hanehoana alahelo amin’ny fitetehan-tena na hiboriana volo.


Tano ho anao ny alahelonao fa aza manao fisaonana. Afehezo eny an-dohanao ny hamama ary manaova kapa toy ny mahazatra ianao, aza misarona endrika na mihinana ny mofo fanao amin’ny fisaonana.»


«Ianareo itsofany sodina, tsy mandihy; ianareo anaovanay hira fisaonana, tsy mitomany!»


Tahaka ny ankizy mipetra-potsiny eny an-kianja ka omen’ny namany tsiny hoe: «Ianareo itsofanay sodina, tsy mandihy; ianareo anaovanay hira fisaonana, tsy mitomany!»


Dia nidina i Paoly ary niondrika teo aminy sy nitrotro azy ka nanao hoe: –Aza manahy fa velona izy!


Teo no ho eo ihany i Petera dia niainga niaraka tamin’ireto iraka. Vao tonga tao Lida i Petera, dia nentin’ny mpianatra ho any amin’ilay efitrano ambony rihana. Nanatona an’i Petera avokoa ireo mpitondratena tao, izay sady nitomany no nampiseho ny akanjo sy fitafiana hafa nataon’i Dôrkasy ho azy ireo fony fahavelony.


Dia tsy ho re ao aminao intsony ny mozika fanaon’ny mpitendry lokanga sy ny mpihira ary ny mpitsoka sodina sy ny mpitsoka trompetra; tsy ho hita ao aminao intsony ny mpiasa rehetra amin’ny taozavatra isan-karazany; tsy ho re ao aminao intsony ny feon’ny vato fikoseham-bary.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra