Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Matio 8:14 - DIEM PROTESTANTA

14 Dia niantrano tao amin-dry i Petera i Jesoa, ary nahita ny rafozambavin’i Petera nandamaka fa voan’ny tazo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Ary Jesosy, nony niditra tao an-tranon’i Petera, dia nahita ny rafozambavin’i Petera nandry tao, voan’ny tazo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Dia niantrano tao amin-dry i Petera i Jesoa, ary nahita ny rafozambavin’i Petera nandamaka fa voan’ny tazo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

14 Ary nony tonga tao an-tranon’i Piera i Jesoa, dia nahita ny rafozambavin’i Piera nandry fa nararin’ny tazo,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 ARY Jesosy, nony niditra tao an-tranon’i Petera, dia nahita ny rafozambavin’i Petera nandry teo nanavin’ny tazo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Ary Jesosy, nony niditra tao an-tranon'i Petera, dia nahita ny rafozam-bavin'i Petera nandry teo nanavin'ny tazo.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 8:14
9 Rohy Ifampitohizana  

Dia novalian’i Petera hoe: –Mandoa izany Izy! Vao niditra tao an-trano i Petera, dia notsenain’i Jesoa nilazany hoe: –Ahoana no hevitrao, ry Simôna? Iza no andraisan’ny mpanjaka etỳ an-tany fadintseranana sy hetra, ny ankohonany sa ny olon-kafa?


Nokasihin’i Jesoa ny tanan-dravehivavy; ary nialan’ny tazo ravehivavy dia nitsangana nandroso sakafo ho an’i Jesoa.


Fa hoy i Jesoa taminy: –Ny fosa manan-davaka ary ny voro-manidina manana akany; fa ny Zanak’olona tsy mba manan-trano handriany sy hialany sasatra!


Moa tsy zonay ve ny mitondra vehivavy kristianina toy ny ataon’ireo apôstôly sy ny rahalahin’ny Tompo ary i Petera?


Koa ny mpitondra Fiangonana dia tokony ho olona tsy manan-tsiny, tsy mampirafy, mahafehy tena, matotra, maotina, mahay mandray olona, havanana amin’ny fampianarana;


raran-dry zareo ny fanambadiana; ary asainy fadina ny hanina sasantsasany. Hanina noarîn’Andriamanitra anefa ireny; ka ho an’ireo mpino sady mpahafantatra ny hafatra marim-pototra dia amim-pisaorana an’Andriamanitra no ihinanana azy.


Aoka samy hanaja ny fanambadiana, ary aoka tsy hifanitsakitsaka ny mpivady; fa hohelohin’Andriamanitra ny mpijangajanga sy mpaka vadin’olona.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra