Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Matio 5:42 - DIEM PROTESTANTA

42 Omeo izay mangataka aminao ary aza andosirana izay te hisambotra aminao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

42 Omeo izay mangataka aminao; aza odian-tsy hita izay te hisambotra aminao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

42 Omeo izay mangataka aminao ary aza andosirana izay te hisambotra aminao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

42 Omeo izay mangataka aminao, ary aza ilaoza-mihataka izay te hisambotra aminao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

42 Omeo izay mangataka aminao; ary aza ilaoza-mihodina izay te-hisambotra aminao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

42 Omeo izay mangataka aminao; ary aza ilaoza-mihodina izay te hisambotra aminao.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 5:42
26 Rohy Ifampitohizana  

Ny ratsy fanahy misambotra tsy mamerina, fa ny olo-marina kosa miantra ka manome.


Izay manome ny mahantra dia mampisambotra ny TOMPO, fa Izy ihany no hanonitra ny soa nataon’ilay mpiantra.


tontolo andro izy mitsiriritra hatrany, nefa ny olo-marina sady manome no malala-tanana.


Noho izany dia afafazo vao maraina ny voanao ary aza mitsahatra miasa mandra-paharivan’ny andro, fa tsy fantatrao izay ho vanona na ny teo aloha na ny tafara na koa samy ho vanona avokoa izy roa tonta.


ary niteny izy ka nanao hoe: –Tsy ity moa ilay Babilôna lehibe izay naoriko ho fonenan’andriamanjaka? Porofo izao fa lehibe ny heriko izao ary heni-boninahitra ny fiandrianako.


Raha misy manery anao hitondra entana mandritra ny lalana iray kilaometatra, miaraha aminy mandritra ny lalana roa kilaometatra.


Manaova asa fiantrana araka izay anananareo, dia hadio aminareo ny zavatra rehetra.


Fa «raha noana ny fahavalonao, dia omeo hanina; raha mangetaheta, dia omeo rano hosotroiny; fa raha manao izany ianao, dia hanangona vainafo eo an-dohany.»


Aza hadinoina ny fanaovan-tsoa sy ny fifanampiana, fa sorona toy izany no sitrak’Andriamanitra.


Fa tsy manao ny tsy rariny Andriamanitra: tsy hohadinoiny akory ny asanareo sy ny fitiavanareo Azy nasehonareo tamin’ny nanompoanareo sady mbola anompoanareo ny kristianina havanareo.


Fa amin’Andriamanitra Ray ny fivavahana madio sy tsy misy tsiny dia izao: ny miahy ny kamboty sy ny mpitondratena amin’ny fahoriana mahazo azy ary ny miaro tena tsy ho voapentimpentin’izao tontolo izao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra