Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Matio 5:18 - DIEM PROTESTANTA

18 Eny, lazaiko marina aminareo fa mandra-pahalevon’ny tany amana habakabaka dia tsy hisy ho foana akory amin’ny lalàna, na dia ny zavatra antsipiriany sy zavatra faran’izay madinika indrindra aza, fa ho tanteraka avokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 Fa lazaiko aminareo marina tokoa: Mandra-pahafoanan’ny lanitra sy ny tany dia tsy hisy ho foana akory ny amin’ny lalàna, na dia iota iray na tsipika kely iray aza, mandra-pahatanterak’izy rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 Eny, lazaiko marina aminareo fa mandra-pahalevon’ny tany amana habakabaka dia tsy hisy ho foana akory amin’ny lalàna, na dia ny zavatra antsipiriany sy zavatra faran’izay madinika indrindra aza, fa ho tanteraka avokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

18 Fa lazaiko aminareo marina tokoa, fa mandra-pahalevon’ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin’ny Lalàna na dia i iray na tendrin-tsoratra iray akory aza, mandra-pahatanterak’izy rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 Fa lazaiko aminareo marina tokoa: Mandra-pahafoan’ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin’ny lalàna, na dia litera iray na tendron-tsoratra iray aza, mandra-pahatanterak’izy rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Fa lazaiko aminareo marina tokoa: Mandra-pahafoan'ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin'ny lalàna, na dia litera iray na tendron-tsoratra iray aza, mandra-pahatanterak'izy rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 5:18
82 Rohy Ifampitohizana  

Fahiny elabe no nanorenanao ny tany sy nanamboaranao ny lanitra.


mafy orina hatrany ka ho mandrakizay ireny, mahatoky sy mahitsy no nanaovany azy.


Ny baikonao dia fantatro hatry ny ela fa naorinao ho mandrakizay.


Eny, mihamaina ny ahitra, mihamalazo ny voninkazo, fa ny herin’ny tenin’Andriamanitsika no haharitra mandrakizay.»


Fa homeko lanjany ny tenin’ireo mpanompoko ary hataoko tanteraka ny fikasan’ireo irako. Ka hoy Aho amin’i Jerosalema: ‹Aoka honenana indray ianao.› ary amin’ny tanànan’i Joda hoe: ‹Aoka haorina indray ianareo.› Eny, hatsangako izay efa rava.


Atopazo eny an-danitra ny masonareo, dia jereo koa ny tany etỳ ambany: ny lanitra ho levona toy ny setroka ary ny tany ho rotidrotika toy ny lamba, ka ho faty toy ny lalitra ny mponina eo aminy; fa ny famonjeko kosa haharitra mandrakizay ary ny fanafahako tsy mba ho rava.


Lazaiko marina aminareo fa amin’ny andro fitsarana dia ho azoazo kokoa ny sazy hihatra amin’i Sôdôma sy i Gômôra noho ny hihatra amin’izany tanàna izany!


Raha enjehina amin’ny tanàna anankiray ianareo, dia mandosira any amin’ny tanàna hafa; eny, lazaiko marina aminareo fa tsy ho tapitra voatetinareo akory ny tanàna eto Israely, dia ho avy ny Zanak’olona.


ary lazaiko marina aminareo fa na iza na iza hanome rano mangatsiaka, na eran’ny kaopy ihany aza, hosotroin’ny anankiray amin’ireo mpianatro madinika ireo noho izy mpianatro, dia tsy ho diso valisoa.


–Tsy mbola nisy lehibe noho i Jôhany tamin’ny olombelona rehetra; kanefa lazaiko marina aminareo fa izay kely indrindra ao amin’ny Fanjakàn’ny lanitra dia lehibe noho izy.


Eny, lazaiko marina aminareo fa maro ireo mpaminanin’Andriamanitra sy ireo olo-marina naniry hahita izay hitanareo nefa tsy nahita, ary hahare izay renareo nefa tsy nahare.


Lazaiko marina aminareo fa ny sasany amin’izay manatrika eto dia tsy ho faty raha tsy efa mahita ny Zanak’olona tonga amin’ny maha mpanjaka Azy.


Dia hoy i Jesoa taminy: –Satria kely finoana loatra ianareo! Eny, lazaiko marina aminareo fa raha manam-pinoana tahaka ny voan-tsinapy anankiray ianareo ka hiteny amin’io tendrombohitra io hoe: «Mifindrà erỳ», dia hifindra izy; ary tsy hisy tsy ho hainareo hatao. [


Lazaiko marina aminareo fa na inona na inona hofehezinareo etỳ an-tany dia ho voafehy koa any an-danitra; ary na inona na inona hovahanareo etỳ an-tany dia ho voavaha koa any an-danitra.


ka hoy Izy: –Lazaiko marina aminareo fa raha tsy miova ianareo ka tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra mihitsy ao amin’ny Fanjakàn’ny lanitra.


Tamin’izay i Jesoa dia niteny tamin’ny mpianany hoe: –Lazaiko marina aminareo fa sarotra amin’ny mpanankarena ny hiditra ao amin’ny Fanjakàn’ny lanitra.


Dia hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: –Lazaiko marina aminareo fa rehefa hohavaozina tanteraka izao tontolo izao ka hipetraka eo amin’ny sezafiandrianany be voninahitra ny Zanak’olona, ianareo 12 lahy niaraka tamiko dia samy hipetraka amina sezafiandrianana mba hitsara ny foko 12 amin’i Israely.


Dia novalian’i Jesoa hoe: –Izao no lazaiko marina aminareo; raha manam-pinoana ianareo ka tsy misalasala, dia tsy izao nataoko tamin’ny aviavy izao ihany no ho vitanareo, fa na itsy tendrombohitra itsy aza hitenenanareo hoe: «Mialà eo ary mianjerà any an-dranomasina», dia ho tonga izany.


Iza moa amin’izy mirahalahy no nanao ny sitrapon-drainy? Dia hoy ireo: –Ilay faharoa! Ary i Jesoa nanao tamin-dry zareo hoe: –Lazaiko marina aminareo fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy mpivarotena dia efa nialoha anareo ao amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra.


Lazaiko marina aminareo fa hitambesatra amin’ny olona ankehitriny avokoa izany rehetra izany.


Ary niteny i Jesoa nanao tamin’ny mpianany hoe: –Hitanareo moa ireo rehetra ireo? Lazaiko marina aminareo fa tsy havela hisy vato mifanongoa eo ka tsy harodana!


Lazaiko marina aminareo fa hotendren’ny tompony hiadidy ny fananany rehetra izy.


Fa novalian’ny mpampakatra hoe: «Lazaiko marina aminareo fa tsy fantatro ianareo.»


Dia hovalian’ny Mpanjaka hoe: «Lazaiko marina aminareo fa araka izay nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto havako madinika indrindra ireto no nataonareo tamiko.»


Dia hovalian’ny Mpanjaka hoe: «Lazaiko marina aminareo fa araka izay tsy nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto havako madinika indrindra ireto no tsy nataonareo tamiko.»


Lazaiko marina aminao fa tsy ho afaka ao mihitsy ianao ambara-panèfanao ny iraimbilanja farany.


–Rehefa mifady hanina ianareo, aza mba manahaka ny mpihatsaravelatsihy ka malahelo endrika. Ataon-dry zareo manjonitra ny tarehiny mba hahitan’ny olona azy hoe mifady hanina. Lazaiko marina aminareo fa efa azony ny valisoany.


Koa rehefa manao fiantrana ianao, aza dia antsoantsoina ho ren’ny tany ama-monina, sahala amin’ny fanaon’ny mpihatsaravelatsihy any amin’ny sinagôga sy eny an-dalambe, mba hankalazan’ny olona azy. Lazaiko marina aminareo fa efa azony ny valisoany.


Gaga i Jesoa raha nandre izany, ka loa-bolana tamin’ireo nanaraka Azy nanao hoe: –Lazaiko marina aminareo fa mbola tsy nisy olona nahitako finoana toy izany tamin’i Israely.


Lazaiko marina aminareo fa na iza na iza tsy mandray ny Fanjakàn’Andriamanitra toy ny andraisan’ny ankizy madinika azy, dia tsy ho tafiditra ao.


Ka hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: –Lazaiko marina aminareo fa tsy misy olona mahafoy trano na mpiray tampo na reny na ray na zanaka na tany noho ny fitiavana Ahy sy fitiavana ny Vaovao Mahafaly,


Lazaiko marina aminareo fa na iza na iza hilaza amin’ity tendrombohitra ity hoe: «Mialà eo, ary mianjerà any an-dranomasina», ka tsy misalasala ao am-po, fa mino hoe ho tonga izay lazainy, dia ho tanteraka aminy tokoa.


Dia nantsoin’i Jesoa ireo mpianany ka nilazany hoe: –Lazaiko marina aminareo fa io vehivavy mpitondratena mahantra io no nandrotsaka be indrindra tamin’ny olona nandrotsa-bola tao amin’ny vata fitoeran-drakitra.


Lazaiko marina aminareo fa mbola tsy ho tapitra akory ity taranaka ity, dia ho tonga izany rehetra izany.


Dia nipetraka hihinana izy rehetra, ka iny teo am-pisakafoana iny dia hoy i Jesoa: –Lazaiko marina aminareo fa hanolotra Ahy ny anankiray aminareo; dia ilay miara-mihinana amiko.


Lazaiko marina aminareo fa tsy hisotro divay intsony Aho mandra-pahatongan’ilay andro hisotroako ny divay vaovao any amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra.


Ary hoy i Jesoa taminy: –Lazaiko marina aminao fa anio dia anio ihany, raha mbola tsy maneno indroa akory ny akoho, dia handà Ahy intelo ianao.


Lazaiko marina aminareo fa na aiza na aiza eran’izao tontolo izao hanambarana ny Vaovao Mahafaly, dia holazaina koa izao nataon’ity vehivavy ity izao mba ho fahatsiarovana azy.


Ary lazaiko marina aminareo fa havelan’Andriamanitra avokoa ny heloka rehetra vitan’ny olombelona ary koa ny fanevatevana rehetra ataony an’Andriamanitra;


Ary izay toerana tsy handraisan’ny olona anareo na tsy hihainoany anareo, dia ialao; ka ahintsano eo ny vovoka avy amin’ny tongotrareo ho fiampangana azy.


Dia nisento lalina i Jesoa ka niteny hoe: –Nahoana ny olona ankehitriny no mitady famantarana? Lazaiko marina aminareo fa tsy homena famantarana akory izy.


Dia hoy koa i Jesoa taminy: –Lazaiko marina aminareo fa ny sasany amin’izay manatrika eto dia tsy ho faty, raha tsy efa mahita ny Fanjakàn’Andriamanitra tonga amin-kery mahagaga.


Ary na iza na iza manome rano eran’ny kaopy hosotroinareo noho ny maha an’i Kristy anareo, dia lazaiko marina aminareo fa tsy ho diso valisoa.


nanomboka tamin’i Abela ka niafara tamin’i Zakarià ilay novonoina teo anelanelan’ny alitara fisoronana sy ny Toeramasina. Eny, hoy Aho aminareo, hanadinan’Andriamanitra ny olona ankehitriny avokoa izany.


Sambatra ireo mpanompo hitan’ny tompony miari-tory raha tonga izy. Lazaiko marina aminareo fa hisikina lamba ny tompony ka hampipetraka azy hihinana ary handroso sakafo ho azy.


Indro ny tempolinareo fa havela eo ho anareo. Ary lazaiko aminareo fa tsy ho hitanareo intsony Aho mandra-panaonareo hoe: ‹Hombàm-pitahiana amin’ny anaran’ny Tompo anie Ilay avy›!»


Kanefa moramora kokoa ny hahalevona ny tany amana habakabaka noho ny hoe hahafoana ny zavatra faran’izay madinika indrindra ao amin’ny lalànan’i Mosesy.


Lazaiko marina aminareo fa na iza na iza tsy mandray ny Fanjakàn’Andriamanitra toy ny andraisan’ny zazakely azy, dia tsy ho tafiditra ao.


Dia hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: –Lazaiko marina aminareo fa tsy misy olona nahafoy trano na vady na mpiray tampo na ray aman-dreny na zanaka noho ny Fanjakàn’Andriamanitra


Ka hoy i Jesoa taminy: –Lazaiko marina aminao fa anio ihany dia ho tafaraka amiko any am-paradisa ianao.


Ary niteny indray i Jesoa hoe: –Lazaiko marina aminareo fa tsy misy mpaminany to teny eo amin’ny tanàna nahabe azy.


Dia hoy koa i Jesoa tamin-dry i Natanaela: –Lazaiko marina dia marina aminareo fa ho hitanareo ny lanitra misokatra mbamin’ny anjelin’Andriamanitra miaka-midina eo ambonin’ny Zanak’olona!


–Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay tsy miditra amin’ny vavahady mankao amin’ny valan’ondry, fa mananika ny fefy, dia mpangalatra sy jiolahy;


Dia hoy indray i Jesoa: –Lazaiko marina dia marina aminareo fa Izaho no vavahadin’ny ondry.


Lazaiko marina dia marina aminareo fa raha tsy maty ny voam-bary latsaka ao amin’ny tany, dia mitoetra irery; raha maty kosa izy, dia mahavokatra be.


Lazaiko marina dia marina aminareo fa ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony ary ny iraka tsy lehibe noho ilay naniraka azy.


I Jesoa kosa namaly hoe: –Ny ainao hoe hafoinao ho Ahy? Lazaiko marina dia marina aminao fa alohan’ny maneno akoho, dia handà Ahy intelo ianao.


Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay mino Ahy dia hanao ny asa ataoko ihany koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria mankany amin’ny Ray Aho.


Lazaiko marina dia marina aminareo fa hitomany sy hisaona ianareo, ary izao tontolo izao kosa hifaly; halahelo ianareo, fa hody hafaliana ny alahelonareo.


Amin’izany andro izany, dia tsy hanontany Ahy na inona na inona intsony ianareo. Lazaiko marina dia marina aminareo fa na inona na inona hangatahinareo amin’ny Ray dia homeny anareo noho ny anarako izany.


Lazaiko marina dia marina aminao fa fony mbola tanora ianao, dia nahasikin-tena sy nandeha tamin’izay tianao haleha; fa rehefa antitra kosa ianao, dia hatsotranao ny tananao, ka olon-kafa no hanikina anao sy hitondra anao amin’izay tsy tianao haleha.


Lazaiko marina dia marina aminao fa izay fantatray no lazainay ary izay hitanay no ijoroanay ho vavolombelona, nefa tsy raisinareo izany fijoroanay ho vavolombelona izany.


Fa novalian’i Jesoa hoe: –Lazaiko marina dia marina aminao fa raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy afa-mahita ny Fanjakàn’Andriamanitra.


Ka novalian’i Jesoa hoe: –Lazaiko marina dia marina aminao fa raha tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy Masina ny olona, dia tsy afa-miditra ao amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra.


–Lazaiko marina dia marina aminareo fa ny Zanaka dia tsy mahavita na inona na inona avy amin’ny tenany: izay hitany ataon’ny Ray no ataony, satria na inona na inona ataon’ny Ray dia toy izany koa no ataon’ny Zanaka.


Dia novalian’i Jesoa hoe: –Lazaiko marina dia marina aminareo fa ny itadiavanareo Ahy dia tsy noho ianareo nahita famantarana, fa noho ianareo nihina-mofo ka voky.


Tamin’izay i Jesoa dia niteny taminy hoe: –Lazaiko marina dia marina aminareo fa tsy i Mosesy no nanome anareo ny mofo avy tany an-danitra, fa ny Raiko no manome anareo ilay tena mofo avy any an-danitra;


Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay mino Ahy dia velona aina mandrakizay.


Ka hoy i Jesoa taminy: –Lazaiko marina dia marina aminareo fa raha tsy mihinana ny tenan’ny Zanak’olona sy misotro ny rany ianareo, dia tsy velona aina ao anatinareo.


Dia hoy i Jesoa taminy: –Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay rehetra manao fahotana dia andevozin’ny fahotana.


Lazaiko marina dia marina aminareo fa raha misy olona mitandrina ny teniko, dia tsy ho faty na oviana na oviana izy.


Fa novalian’i Jesoa hoe: –Lazaiko marina dia marina aminareo fa tsy mbola ary i Abrahama, dia «Izaho no Ilay hatrizay ka ho mandrakizay»!


Fa ny tenin’ny Tompo no maharitra mandrakizay.» Ary izany teny izany dia ny Vaovao Mahafaly notorîna taminareo.


Dia hitako ity sezafiandrianana fotsy lehibe sy Ilay mipetraka eo amboniny. Ny tany amana habakabaka dia nandositra teo anatrehany, ka tsy hita intsony izay toerana nisy azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra