Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Matio 27:57 - DIEM PROTESTANTA

57 Nony hariva ny andro, dia tonga ity lehilahy mpanankarena avy any amin’ny tanàna atao hoe Harimatia; i Jôsefa no anarany ary mpianatr’i Jesoa ihany koa izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

57 Nony hariva ny andro dia tonga ny lehilahy mpanankarena iray, avy any Arimatia, Josefa no anarany, ary izy koa dia mpianatr’i Jesosy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

57 Nony hariva ny andro, dia tonga ity lehilahy mpanankarena avy any amin’ny tanàna atao hoe Harimatia; i Jôsefa no anarany ary mpianatr’i Jesoa ihany koa izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

57 Nony hariva ny andro, dia nisy lehilahy manan-karena anankiray avy any Arimatia atao hoe Josefa, izay mpianatr’i Jesoa koa,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

57 ARY nony hariva ny andro, dia avy ny lehilahy manan-karena anankiray, avy any Arimatia, ny anarany atao hoe Josefa, ary izy koa dia mpianatr’i Jesosy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

57 Ary nony hariva ny andro, dia avy ny lehilahy manan-karena anankiray, avy any Arimatia, ny anarany atao hoe Josefa, ary izy koa dia mpianatr'i Jesosy.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 27:57
9 Rohy Ifampitohizana  

Nokasaina hiray fasana amin’ny olon-dratsy izany Mpanompon’ny Tompo izany; kanefa teo anivon’ny mpanankarena no nandevenana azy, satria tsy nanao ratsy akory izy ary tsy nisy fitaka teo am-bavany.


Nanatona an’i Pilato izy nangataka ny vatan’i Jesoa; ary dia nasain’i Pilato nomena azy izany.


Nandre izany ny mpianatr’i Jôhany, ka tonga naka ny fatiny ary nandevina azy.


Rehefa avy nahatanteraka izay rehetra nambaran’ny Soratra Masina momba Azy ry zareo, dia nesorina teo amin’ny hazofijaliana Izy ary nalevina tao am-pasana.


Tao Ramà, tany amin’ny faritra be tendrombohitra any Efraîma, dia nisy lehilahy anankiray anisan’ny taranak’i Tsofo. Io lehilahy io dia natao hoe Elkanà, zanak’i Jerohama, zafikelin’i Elihò, zafiafin’i Tôhò ary zafindohalik’i Tsofo.


Rehefa izany, dia niverina nody tany Ramà izay nisy azy izy; nitsarany ny Israelita koa tao sady nanorenany alitara anankiray ho an’ny TOMPO.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra