Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Matio 27:42 - DIEM PROTESTANTA

42 –Namonjy olon-kafa Izy, fa ny tenany tsy hainy vonjena. Mpanjakan’i Israely hono Izy, koa ankehitriny aoka hidina avy eo amin’ny hazofijaliana, dia hinoanay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

42 Novonjeny ny sasany fa ny tenany dia tsy hainy vonjena. Mpanjakan’ny Israely Izy! Aoka hidina hiala amin’ny hazofijaliana Izy ankehitriny dia hino Azy izahay;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

42 –Namonjy olon-kafa Izy, fa ny tenany tsy hainy vonjena. Mpanjakan’i Israely hono Izy, koa ankehitriny aoka hidina avy eo amin’ny hazofijaliana, dia hinoanay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

42 «Ny sasany novonjeny, fa ny Tenany kosa tsy hainy vonjena; raha mpanjakan’i Israely Izy, aoka hidina hiala amin’ny Hazofijaliana ankehitriny, dia hino Azy isika.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

42 Ny sasany novonjeny; fa ny tenany tsy hainy vonjena. Mpanjakan’ny Isiraely Izy, aoka hidina hiala amin’ny hazofijaliana Izy ankehitriny, dia hino Azy izahay;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

42 Ny sasany novonjeny; fa ny tenany tsy hainy vonjena. Mpanjakan'ny Isiraely Izy, aoka hidina hiala amin'ny hazo fijaliana Izy ankehitriny, dia hino Azy izahay;

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 27:42
14 Rohy Ifampitohizana  

ka nanontany hoe: –Aiza moa ilay Mpanjakan’ny Jiosy vao teraka? Efa hitanay niposaka tany atsinanana manko ny kintany, koa indreto izahay tonga hiankohoka eo anatrehany.


Ary teo ambonin’ny lohan’i Jesoa dia nasiany soratra milaza ny nanamelohana Azy hoe: «Ity no Jesoa, ilay Mpanjakan’ny Jiosy.»


ka nanao hoe: –Ry Ilay mandrava ny tempoly sy manorina azy anatin’ny telo andro ity, vonjeo ny tenanao, raha Zanak’Andriamanitra tokoa Ianao, ary midîna avy eo amin’ny hazofijaliana!


Naneso an’i Jesoa toy izany koa ny lohandoha-mpisorona mbamin’ny mpahay lalàna sy ny loholona ka nanao hoe:


Naneso Azy toy izany koa ireo lohandoha-mpisorona mbamin’ny mpahay lalàna ka nifampilaza hoe: –Namonjy olon-kafa Izy, fa ny tenany tsy hainy vonjena!


Aoka ilay Mesia, Mpanjakan’i Israely, hidina avy eo amin’ny hazofijaliana ankehitriny, mba ho hitantsika ka hinoantsika! Dia naneso an’i Jesoa koa ireo niara-nohomboana taminy.


hoy ny antsoantsony hoe: «Hombàm-pitahiana amin’ny anaran’ny Tompo anie ny Mpanjaka izay avy! Fiadanana anie any an-danitra, ary voninahitra anie ho an’Andriamanitra!»


Ny vahoaka tamin’izany nijanona teo nijery. Ny manampahefana jiosy kosa nandatsa nanao hoe: –Namonjy olon-kafa Izy, ka aoka hamonjy ny tenany, raha Izy tokoa no ilay Mesia avy amin’Andriamanitra!


sady niteny hoe: –Raha Ianao tokoa no Mpanjakan’ny Jiosy, vonjeo ny tenanao!


Fa i Natanaela kosa nilaza taminy hoe: –Mpampianatra ô, Ianao no Zanak’Andriamanitra, Ianao no Mpanjakan’i Israely!


Dia naka sampan-drofia izy ireo, ka niainga hitsena Azy sady niantsoantso hoe: –Dera anie ho an’Andriamanitra! Hombàm-pitahiana amin’ny anaran’ny Tompo anie Ilay avy, ilay Mpanjakan’i Israely!


Raha misy mandre ny teniko ka tsy mitandrina ireny, dia tsy manameloka azy Aho; satria tsy hanameloka an’izao tontolo izao no nahatongavako, fa hamonjy an’izao tontolo izao.


Dia nantsoin’ireo Farisianina indray ilay jamba taloha, ka nilazany hoe: –Lazao ny marina eo anatrehan’Andriamanitra! Izahay aloha dia tsy mahalala fa mpanota iny Lehilahy iny.


hitany koa ralehilahy sitrana soa aman-tsara nitsangana teo anilan’izy roa lahy, hany ka tsy nanan-kolazaina ry zareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra