Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Matio 26:59 - DIEM PROTESTANTA

59 Nokarohin’ireo lohandoha-mpisorona sy ireo rehetra anisan’ny Fitsarana ambony teo amin’ny Jiosy izay mety hiampangana an’i Jesoa, na dia amin’ny lainga aza, mba hanamelohana Azy ho faty;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

59 Ary ireo lehiben’ny mpisorona mbamin’ny Sinedriona rehetra dia nitady teny hoentiny miampanga lainga an’i Jesosy mba hamonoany Azy;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

59 Nokarohin’ireo lohandoha-mpisorona sy ireo rehetra anisan’ny Fitsarana ambony teo amin’ny Jiosy izay mety hiampangana an’i Jesoa, na dia amin’ny lainga aza, mba hanamelohana Azy ho faty;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

59 Tamin’izay ny lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona rehetra dia nitady izay hiampangana lainga an’i Jesoa hamonoana Azy,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

59 Ary ny lohan’ny mpisorona mbamin’ny Synedriona rehetra nitady teny ho entiny hiampanga lainga an’i Jesosy mba hamonoany Azy;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

59 Ary ny lohan'ny mpisorona mbamin'ny Synedriona rehetra nitady teny ho entiny hiampanga lainga an'i Jesosy mba hamonoany Azy;

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 26:59
12 Rohy Ifampitohizana  

Aza avela hanaram-po amiko ireo mpandrafy ahy, fa vavolombelona mandainga no mitsangan-kamely sy mifofofofo erỳ mba hiampanga ahy.


Mandratra toy ny langilangy na sabatra na koa zana-tsipîka maranitra ny olona mijoro ho vavolombelona mandainga mba hanamelohana ny namany.


Izaho koa milaza aminareo hoe: izay rehetra tezitra amin’ny namana iray finoana dia mendrika hatolotra ny fitsarana isan-tanàna; izay hanao ny namana iray finoana hoe: misy kely, dia mendrika hatolotra ny Fitsarana ambony; izay hanao azy hoe: foka, dia mendrika havarina any amin’ny lohasahan’afo.


Tamin’izay i Hàna mpisorombe dia nanadina an’i Jesoa momba ny mpianany sy ny fampianarany,


Ka ahoana no anontanianao Ahy? Ireo nihaino Ahy anontaniana izay noteneniko taminy, fa ireo no mahalala izay nolazaiko.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra