Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Matio 24:42 - DIEM PROTESTANTA

42 Koa miambena àry, fa tsy fantatrareo izay andro hiavian’ny Tomponareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

42 Koa amin’izany miambena ianareo; fa tsy fantatrareo izay andro hiavian’ny Tomponareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

42 Koa miambena àry, fa tsy fantatrareo izay andro hiavian’ny Tomponareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

42 «Koa miambena àry, fa tsy fantatrareo izay tapak’andro hiavian’ny Tomponareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

42 Koa amin’izany miambena hianareo; fa tsy fantatrareo izay andro hihavian’ny Tomponareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

42 Koa amin'izany miambena ianareo; fa tsy fantatrareo izay andro hihavian'ny Tomponareo.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 24:42
17 Rohy Ifampitohizana  

–Ny amin’izay andro sy ora hahatongavan’izany dia tsy misy mahalala na ny anjely any an-danitra na ny Zanaka, fa izy Ray irery ihany.


Izao no ataovy ao an-tsaina: raha fantatry ny tompon-trano ny vanim-potoana hiavian’ny mpangalatra amin’ny alina, dia ho niambina izy ary tsy ho namela ny tranony hotamîna.


Noho izany, aoka ho vonona hatrany koa ianareo, fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’olona.


Raha mbola nandeha nividy solika ireo adala, dia tonga ny mpampakatra; ka ireo tovovavy dimy efa vonona no niara-niditra tamin’ny mpampakatra tao amin’ny fanasambe fampakaram-bady ary nohidiana ny varavarana.


Dia nofaranan’i Jesoa hoe: –Miambena àry ianareo fa tsy fantatrareo na ny andro na ny ora.


–Mitandrema tena ianareo, fandrao tonga mavesatra ny fonareo noho ny filibàna sy ny hamamoana ary ny fiahiana izao fiainana izao; ka ho avy tampoka tsy ampoizinareo izany andro izany,


Koa miambena sady mivavaha lalandava mba ho afa-miala amin’izany loza rehetra efa ho avy izany sy ho marim-pijoro eo anatrehan’ny Zanak’olona.


Fantatrareo rahateo indrindra koa ny andro diavintsika. Izao no fotoana tokony hifohazanareo amin’ny torimaso; satria ankehitriny antomotra antsika kokoa ny famonjena, fa tsy tahaka ny tamin’ny andro vao ninoantsika.


Miambena ianareo, mamahara tsara amin’ny finoana, aoka hitombandahy, mahereza.


Koa aza mba matory tahaka ny sasany, fa aoka hiambina sy hahonon-tena.


Antomotra ny faran’ny zavatra rehetra; koa hendre, mahonòna tena mba ho afa-mivavaka.


Mahonòna tena, ary miambena; fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha manodidina anareo tahaka ny liona mierona mitady izay harapany.


«Indro avy toy ny mpangalatra Aho, hoy ny Tompo. Sambatra izay miari-tory sy mitandro ny fitafiany, fandrao mandeha miboridana ka ho hita mitanjaka!»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra