Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Matio 21:13 - DIEM PROTESTANTA

13 ary hoy i Jesoa tamin’ireo olona ireo: –Izao no voalazan’ny Soratra Masina: «Ny tranoko dia hantsoina hoe trano fivavahana.» Nefa he ity izy ataonareo zohy fieren’ny mpangalatra!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 dia hoy Izy tamin’izy ireo: Voasoratra hoe: «Ny tranoko dia hatao hoe trano fivavahana (Isa 56.7); fa ianareo kosa dia manao azy ho zohy fieren’ny jiolahy» (Jer 7.11).

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 ary hoy i Jesoa tamin’ireo olona ireo: –Izao no voalazan’ny Soratra Masina: «Ny tranoko dia hantsoina hoe trano fivavahana.» Nefa he ity izy ataonareo zohy fieren’ny mpangalatra!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 Dia hoy Izy tamin’ireo: «Efa voasoratra hoe: ‹Ny tranoko hatao hoe trano fivavahana› fa ianareo kosa manao azy trano fandrian-dompy.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 dia hoy Izy taminy: Efa voasoratra hoe: ,,Ny tranoko hatao hoe trano fivavahana’’ (Isa. 56.7); fa hianareo kosa manao azy ho ,,zohy fieren’ny jiolahy’’ (Jer. 7.11).

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 dia hoy Izy taminy: Efa voasoratra hoe: Ny tranoko hatao hoe trano fivavahana (Isa. lvi. 7); fa ianareo kosa manao azy ho zohy fieren'ny jiolahy (Jer. 7. 11).

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 21:13
8 Rohy Ifampitohizana  

Azo antoka tanteraka ny fepetra nataonao, TOMPO ô; ho masina lalandava koa ny tranonao.


dia hoentiko eo an-tendrombohitro masina, ka hampifalîko ao an-trano fivavahana amiko; ny sorona isan-karazany hatolony dia hankasitrahiko eo ambonin’ny alitarako; satria ny tranoko hatao hoe: ‹Trano fivavahana ho an’ny firenena rehetra.›


Moa ataonareo ho zohy fieren’ny jiolahy ve ity trano izay natokana ho Ahy ity? Fa izany no fahitako azy, hoy ny teny hentitry ny TOMPO.


Dia hoy ireo taminy: –Ao Betlehema, tanàna any Jodea, fa izao no voalazan’ny Soratra Masina tamin’ny alalan’ny mpaminany:


Dia nampianatra ny olona i Jesoa ary nanao taminy hoe: –Tsy izao ve no voalazan’ny Soratra Masina: «Ny tranoko dia hantsoina hoe trano fivavahana ho an’ny firenena rehetra»? Nefa he ity izy ataonareo zohy fieren’ny mpangalatra!


Nony tafiditra tao an-kianjan’ny tempoly i Jesoa, dia nandroaka ireo mpivarotra


sady nanao taminy hoe: –izao no voalazan’ny Soratra Masina: «Ny tranoko dia trano fivavahana.» Nefa he itỳ izy ataonareo zohy fieren’ny mpangalatra!


Tonga izany mba hahatanteraka ny teny voalazan’ny Soratra Masina hoe: «Nankahalainy tsy amin’antony Aho.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra