Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Matio 19:21 - DIEM PROTESTANTA

21 Ary i Jesoa nanao taminy hoe: –Raha te ho velona aina tanteraka ianao, ndeha amidio ny fanananao ka zarao amin’ny mahantra ny vidiny, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; raha efa izany, dia avia hiaraka amiko!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

21 Dia hoy Jesosy taminy: Raha te ho tanteraka ianao dia mandehana, amidio ny fanananao ka omeo ny mahantra, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia hanaraka Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

21 Ary i Jesoa nanao taminy hoe: –Raha te ho velona aina tanteraka ianao, ndeha amidio ny fanananao ka zarao amin’ny mahantra ny vidiny, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; raha efa izany, dia avia hiaraka amiko!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

21 Ary hoy i Jesoa taminy: «Raha tahiny tianao ny ho lavorary, andeha amidio ny fanananao ka omeo ny mahantra, dia hanan-drakitra any an-danitra ianao; ary raha efa izany dia avia hanaraka Ahy.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

21 Dia hoy Jesosy taminy: Raha tia ho tanteraka hianao, mandehana, amidio ny fanananao, ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra hianao; ary avia hanaraka Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

21 Dia hoy Jesosy taminy: Raha tia ho tanteraka ianao, mandehana, amidio ny fanananao, ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia hanaraka Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 19:21
31 Rohy Ifampitohizana  

Rehefa feno 99 taona i Abrama, dia nisehoan’ny TOMPO ka nitenenany hoe: –Izaho no Andriamanitra Tsitoha; aoka handeha eo anatrehako ianao sady tsy hanan-tsiny;


Izao no tantaran’i Noà: i Noà dia lehilahy marina sady tsy nisy tsiny tamin’ireo mpiara-belona taminy, fa niara-nandeha tamin’Andriamanitra.


Nisy lehilahy iray nonina tany amin’ny tany Hotsa, ka nantsoina hoe Jôba. Tsy misy hokianina sady mahitsy ary nanaja an’Andriamanitra izany lehilahy izany ka nifady ny ratsy.


Diniho ny olom-banona, jereo ny olo-mahitsy, dia ho tsapanao tokoa fa ny hasambarana no valiny omena ny olona toy izany.


Avy eo dia hoy i Jesoa tamin’ireo mpianany: –Raha misy te hiara-dia amiko, dia aoka izy handà ny tenany ka hitondra ny hazofijaliany ary hiaraka amiko.


Dia hoy ilay zatovo taminy: –Izany rehetra izany dia efa voatandriko; ka inona no mbola tsy ampy amiko?


Nony nandre izany teny izany ilay zatovo, dia lasa nandeha tamin’alahelo, satria nanan-karem-be.


Dia hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: –Lazaiko marina aminareo fa rehefa hohavaozina tanteraka izao tontolo izao ka hipetraka eo amin’ny sezafiandrianany be voninahitra ny Zanak’olona, ianareo 12 lahy niaraka tamiko dia samy hipetraka amina sezafiandrianana mba hitsara ny foko 12 amin’i Israely.


Dia hoy i Jesoa taminy: –Andao hiaraka amiko fa hataoko mpanarato olona ianareo!


Tanteraka ny Rainareo Izay any an-danitra: noho izany àry, aoka ianareo ho tanteraka tahaka Azy koa.


Fa hoy i Jesoa taminy: –Andao hiaraka amiko; avelao izy samy maty no hifandevina!


Raha niala teo i Jesoa, dia nahita lehilahy atao hoe Matio nipetraka teo amin’ny birao famorian-ketra, ka hoy Izy taminy: –Avia hiaraka amiko. Dia nitsangana i Matio ka nandeha niaraka taminy.


Dia nijery azy tsara i Jesoa ka velom-pitiavana azy ary niteny taminy hoe: –Zavatra iray no tsy ampy aminao; ndeha amidio ny fanananao rehetra ka zarao amin’ny mahantra ny vidiny, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; raha efa izany, dia hiaraka amiko.


Raha nandalo i Jesoa, dia nahita an’i Levỳ zanakalahin’i Halfeo nipetraka teo amin’ny birao famorian-ketra ary hoy i Jesoa taminy: –Avia hiaraka amiko! Dia nitsangana i Levỳ ka nandeha niaraka taminy.


Dia nantsoin’i Jesoa niaraka tamin’ny mpianatra ny vahoaka hankeo aminy ka nilazany hoe: –Raha misy te hiara-dia amiko, dia aoka izy handà ny tenany, ka hitondra ny hazofijaliany ary hiaraka amiko.


Amidio ny fanananareo ka ny vola azo, anaovy asa fiantrana. Kitapom-bola tsy mety tontan’ny ela atao ho anareo, dia harena tsy mety lany any an-danitra; any tsy mba misy mpangalatra mihaodihaody na kadradraka manimba.


Ary nofaranan’i Jesoa hoe: –Dia toy izany koa àry, na iza na iza aminareo tsy mahafoy izay rehetra ananany, dia tsy afaka ho mpianatro!


Ka hoy Aho aminareo mpianatro: ampiasao ny haren’izao tontolo izao hananan-kavana handray anareo any amin’ny fonenana mandrakizay, rehefa tonga ilay andro hamoizana ireny harena ireny.


Nandre izany i Jesoa ka nanao taminy hoe: –Zavatra iray no mbola tsy ampy aminao: amidio avokoa ny fanananao rehetra ka zarao amin’ny mahantra ny vidiny, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; raha efa izany, dia avia hiaraka amiko!


Taorian’izany, raha nandeha i Jesoa, dia nahita mpamory hetra atao hoe Levỳ nipetraka tao amin’ny birao famorian-ketra, ka hoy Izy taminy: –Avia hiaraka amiko!


Mpianatra tsy mihoatra mpampianatra, fa izay mpianatra tonga lafatra no toy ny mpampianatra azy.


Ary hoy i Jesoa tamin’ny olona rehetra: –Raha misy te hiara-dia amiko, dia aoka handà ny tenany, ka hitondra ny hazo fijaliany isan’andro ary hiaraka amiko,


Ireo ondriko mihaino ny feoko: Izaho mahafantatra ny ondriko, ary izy manaraka Ahy.


Raha misy olona manompo Ahy, dia aoka izy hanaraka Ahy; ary izay itoerako, dia ao koa no hitoeran’ny mpanompoko. Raha misy olona manompo Ahy, dia homen’ny Raiko voninahitra izy.


namidiny ny taniny sy ny fananany ka ny vola azo dia nifampizaràny araka izay nilain’ny tsirairay.


niarahanareo niaritra ny fijalian’izay voafonja; ary nony norobaina ny fanananareo, dia nekenareo tamin-kafaliana izany satria fantatrareo fa manam-pananana tsara lavitra sady maharitra ianareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra