Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Matio 18:16 - DIEM PROTESTANTA

16 Fa raha tsy mihaino anao izy, dia makà olona iray na roa hiaraka aminao mba «hitombenan’ny raharaha rehetra noho ny tenin’ny vavolombelona roa na telo», araka ny voalazan’ny Soratra Masina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 fa raha tsy mihaino anao kosa izy dia ento miaraka aminao ny olona iray na roa mba hohamafisina amin’ny tenin’ny vavolombelona roa na telo ny teny rehetra (Deo 19.15).

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Fa raha tsy mihaino anao izy, dia makà olona iray na roa hiaraka aminao mba «hitombenan’ny raharaha rehetra noho ny tenin’ny vavolombelona roa na telo», araka ny voalazan’ny Soratra Masina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

16 fa raha tsy mihaino anao izy, makà olona iray na roa hiaraka aminao mba ho tapaka noho ny teny hataon’ny vavolombelona roa na telo ny raharaha rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 fa raha tsy mihaino anao kosa izy, dia ento miaraka aminao ny olona iray na roa, mba ho voaorina mafy avokoa ny teny rehetra amin’ny tenin’ny vavolombelona roa na telo (Deo. 19.15).

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 fa raha tsy mihaino anao kosa izy, dia ento miaraka aminao ny olona iray na roa, mba ho voaorina mafy avokoa ny teny rehetra amin'ny tenin'ny vavolombelona roa na telo (Deo. 19. 15).

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 18:16
10 Rohy Ifampitohizana  

Dia niroso teo anoloan’i Nabôta ireo tsivalahara roa lahy ka niampanga lainga azy teo anatrehan’ny olona hoe: –Nanozona an’Andriamanitra sy ny mpanjaka i Nabôta! Koa dia nentin’ny olona tany ivelan’ny tanàna izy ary notorahany vato mandra-pahafatiny.


«Raha misy namono nahafaty olona, dia tsy azo helohina ho faty izy raha tsy noho ny filàzan’ny vavolombelona maro. Tsy hisy fanamelohana ho faty noho ny filàzan’ny vavolombelona tokana.


Voasoratra ao amin’ny lalànanareo fa azo antoka ny fijoroan’ny olona roa ho vavolombelona;


Izao no fanintelony hankanesako atỳ aminareo. Hoy ny Soratra Masina hoe: «Ny tenin’ny vavolombelona roa na telo no aoka hitombenan’ny raharaha rehetra.»


Amin’ny tenin’ny vavolombelona roa na telo no hamonoana izay tokony ho faty; fa ny tenin’ny vavolombelona iray monja dia tsy ampy hamonoana azy.


Raha vavolombelona iray monja, dia aoka tsy hitsangana hiampanga olona ny amin’izay heloka na ota nataony na inona na inona; fa amin’ny tenin’ny vavolombelona roa na telo no hitombenan’ny raharaha.


Aza mandray teny fiampangana loholona, raha tsy misy vavolombelona roa na telo.


Izay mandika ny lalànan’i Mosesy dia vonoina tsy asiana indrafo, rehefa hita fa meloka araka ny tenin’ny vavolombelona roa na telo.


Ary homeko hery ny vavolombelona roa mpanambara Ahy, ka hitondra ny hafatro mandritra ny 1 260 andro sady hitafy gony.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra