Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Matio 16:21 - DIEM PROTESTANTA

21 Hatramin’io fotoana io i Jesoa dia nanomboka nilaza mazava tamin’ny mpianany hoe: –Tsy maintsy hankany Jerosalema Aho ka hataon’ny loholona sy ny lohandoha-mpisorona ary ny mpahay lalàna mijaly mafy tokoa, dia hovonoina ho faty; nefa hitsangana velona amin’ny andro fahatelo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

21 Hatramin’izay andro izay no nanombohan’i Jesosy naneho tamin’ny mpianany fa tsy maintsy hankany Jerosalema Izy ka hampijaly Azy mafy ny loholona sy ny lehiben’ny mpisorona ary ny mpanoradalàna, dia hovonoina Izy ary hatsangana amin’ny andro fahatelo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

21 Hatramin’io fotoana io i Jesoa dia nanomboka nilaza mazava tamin’ny mpianany hoe: –Tsy maintsy hankany Jerosalema Aho ka hataon’ny loholona sy ny lohandoha-mpisorona ary ny mpahay lalàna mijaly mafy tokoa, dia hovonoina ho faty; nefa hitsangana velona amin’ny andro fahatelo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

21 Hatramin’izay vao noborahin’i Jesoa tamin’ny mpianany fa tsy maintsy ho any Jerosalema Izy, ary hampijalin’ny loholona sy ny mpanora-dalàna mbamin’ny lohandohan’ny mpisorona, dia hovonoina, ary hitsangana amin’ny maty rehefa afaka hateloana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

21 Hatramin’izany no vao natoron’i Jesosy ny mpianany fa tsy maintsy hankany Jerosalema Izy ka hampijalin’ny loholona sy ny lohan’ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna, dia hovonoina, ary hatsangana amin’ny andro fahatelo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

21 Hatramin'izany no vao natoron'i Jesosy ny mpianany fa tsy maintsy hankany Jerosalema Izy ka hampijalin'ny loholona sy ny lohan'ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna, dia hovonoina, ary hatsangana amin'ny andro fahatelo.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 16:21
31 Rohy Ifampitohizana  

i Salo sy i Hamôka ary i Hilkià sy i Jedahià. Tamin’ny andron’i Jesoa dia ireo no lohandoha-mpisorona sy mpiombom-panompoana aminy.


Nitoetra telo andro sy telo alina tao an-kibon’ny trozona i Jônà; toy izany koa, hitoetra telo andro sy telo alina ao an-kibon’ny tany ny Zanak’olona.


Fa i Petera kosa nitondra an’i Jesoa hihataka kely sady niteny Azy mafy hoe: –Sanatria aminao izany, ry Tompo! Tsy hihatra aminao velively izany!


Lazaiko marina aminareo fa ny sasany amin’izay manatrika eto dia tsy ho faty raha tsy efa mahita ny Zanak’olona tonga amin’ny maha mpanjaka Azy.


Nefa izao no lazaiko aminareo: Efa tonga tokoa i Elià, saingy tsy fantatry ny olona sasany ka nanaovany izay fampijaliana rehetra tiany hatao taminy; dia tahaka izany koa no hampijalian-dry zareo ny Zanak’olona.


Tamin’izy efa-mianaka nidina avy tany an-tendrombohitra, dia izao no baiko nomen’i Jesoa azy telo lahy: –Aza lazaina na amin’iza na amin’iza iny fahitana iny, mandra-pitsangan’ny Zanak’olona ho velona avy any amin’ny maty.


Dia tahaka ny Zanak’olona izany: tsy hotompoina manko no nahatongavany fa hanompo ary hanolotra ny ainy ho fanavotana ny besinimaro!


–Fantatrareo fa indroa andro sisa tsy hahatongavan’ny fankalazana ny Paska; ary ny Zanak’olona dia hatolotra hohomboana amin’ny hazofijaliana.


Raha mbola niteny i Jesoa, dia indro tonga i Jodasy, anankiray amin’ny 12 lahy; ary olona maro nirongo sabatra sy kibay, irak’ireo lohandoha-mpisorona sy ireo loholon’ny vahoaka jiosy, no tafaraka taminy.


Fa raha niampanga Azy ny lohandoha-mpisorona sy ny loholona, dia tsy novalian’i Jesoa akory.


ka nanao hoe: –Tompoko, tsaroanay fa fony mbola velona iny mpamitaka iny dia izao no teniny: «Amin’ny andro fahatelo, dia hitsangana velona Aho.»


Tsy ato Izy, satria efa nitsangana velona araka ny voalazany. Avia ka jereo ny toerana nametrahana Azy.


Dia nanomboka nilaza tamin’ny mpianatra i Jesoa hoe: –Tsy maintsy hijaly mafy ny Zanak’olona, ka holavin’ny loholona sy ny lohandoha-mpisorona ary ny mpahay lalàna, dia hovonoina ho faty; nefa andro fahatelo aorian’izany, dia hitsangana velona.


Ary hoy i Jesoa taminy: –Tsy maintsy ho avy i Elià hampody ny zavatra rehetra amin’ny laoniny, alohan’ny hahatongavan’ny Mesia; fa ahoana kosa no ilazan’ny Soratra Masina momba ny Zanak’olona fa hoe tsy maintsy hijaly mafy Izy ary hatao tsinontsinona?


Alohan’izany anefa, dia tsy maintsy hijaly mafy Izy ary holavin’ny olona ankehitriny.


sady hoy Izy taminy: –Izao no voalazan’ny Soratra Masina: tsy maintsy hijaly ny Mesia, nefa tsy maintsy hitsangana velona avy any amin’ny maty, amin’ny andro fahatelo;


izay niseho tamim-boninahitra sady nifampilaza fa efa ho tanteraka any Jerosalema ny hialàn’i Jesoa eto an-tany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra