Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Matio 14:10 - DIEM PROTESTANTA

10 Ary naniraka olona i Herôda hanapa-doha an’i Jôhany tany am-ponja.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Koa nandefa iraka hanapaka ny lohan’i Jaona tao an-tranomaizina izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Ary naniraka olona i Herôda hanapa-doha an’i Jôhany tany am-ponja.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 ary naniraka nampanapaka ny lohan’i Joany tao an-tranomaizina izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Ary dia naniraka hanapaka ny lohan’i Jaona tao an-trano-maizina izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Ary dia naniraka hanapaka ny lohan'i Jaona tao an-tranomaizina izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 14:10
12 Rohy Ifampitohizana  

Saingy nihomehezan’ny vahoaka ireo irak’Andriamanitra sady nozimbazimbainy ny teniny; noesoesoiny ny mpaminaniny mandra-pihatry ny fahatezeran’ny TOMPO taminy ka tsy nisy fanafany intsony.


Nikapoka anareo toy ny zanako Aho, fa tsy nahoanareo akory izany; tsy zaka nanarina ianareo. Tahaka ny liona namiravira no namonoanareo ny mpaminany ho fatin’ny sabatrareo.


Dia nentina an-dovia ny lohan’i Jôhany; ka nomena an-drazazavavy, ary nentina tany amin-dreniny.


Nalahelo ny mpanjaka; saingy noho izy niozonozona teo anatrehan’ny olona niara-nisakafo taminy, dia nasainy homena an-drazazavavy izany.


Nefa izao no lazaiko aminareo: Efa tonga tokoa i Elià, saingy tsy fantatry ny olona sasany ka nanaovany izay fampijaliana rehetra tiany hatao taminy; dia tahaka izany koa no hampijalian-dry zareo ny Zanak’olona.


Eny, hoy Aho aminareo, efa tonga tokoa i Elià sady nanaovan’ny sasany izay fampijaliana rehetra tiany hatao taminy araka ny voalazan’ny Soratra Masina momba azy.


Fa hoy kosa i Herôda: –Raha i Jôhany dia efa nasaiko notapahina ny lohany. Ka iza indray àry izao henoko manao zava-mahagaga izao? Ary notadiavin’i Herôda ho hita i Jesoa.


Ary rehefa nahavita fijoroana vavolombelona ireo olona roa ireo, dia hiadian’ilay biby miakatra avy amin’ny hantsambe ary ho resiny sy hataony maty.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra