Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Matio 13:27 - DIEM PROTESTANTA

27 Dia avy ny mpanompon-dralehilahy ka nilaza taminy hoe: «Tompoko, tsy voa tsara ve no nafafinao tamin’ny tanimbarinao? Koa avy aiza kosa ny tsimparifary?»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

27 Dia avy ireo mpanompon-dRalehilahy ka niteny taminy hoe: Tompoko, tsy voa tsara va no nafafinao tany an-tanimbarinao? Koa avy taiza kosa ny tsimparifary? Dia hoy izy taminy:

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

27 Dia avy ny mpanompon-dralehilahy ka nilaza taminy hoe: «Tompoko, tsy voa tsara ve no nafafinao tamin’ny tanimbarinao? Koa avy aiza kosa ny tsimparifary?»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

27 Dia avy ny mpanompon-dralehilahy nanao hoe: Tompoko, moa tsy voa tsara va no nafafinao tao amin’ny taninao, ka nahoana no tonga misy ahi-dratsy koa?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

27 Dia avy ny mpanompon-dralehilahy ka nanao taminy hoe: Tompoko, tsy voa tsara va no nafafinao tany an-tanimbarinao? koa avy taiza kosa ny tsimparifary? Dia hoy izy taminy:

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

27 Dia avy ny mpanompon-dralehilahy ka nanao taminy hoe: Tompoko, tsy voa tsara va no nafafinao tany an-tanimbarinao? koa avy taiza kosa ny tsimparifary? Dia hoy izy taminy:

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 13:27
17 Rohy Ifampitohizana  

Kanjo raha natory ny olona, dia tonga ny fahavalon-dralehilahy tompon-tanimbary ka namafy voan-tsimparifary tamin’ny vary, dia lasa nandeha.


Rehefa naniry ny vary ka niteraka dia nipoitra koa ny tsimparifary.


Dia novaliany hoe: «Fahavalo no nanao izany!» Ary hoy ny mpanompony taminy: «Koa tianao ve ny handehananay hanaisotra ny tsimparifary?»


Fa ny Fanjakàn’ny lanitra dia tahaka ny amin’ity lehilahy anankiray tompona tanimboaloboka. Niainga vao maraina be ralehilahy hanakarama mpiasa ho any an-tanimboalobony.


Manainga anareo aho, ry havana, hitandrin-tena amin’ireo mahatonga fisarahana sy mitaona amin’ny ratsy ka manohitra ny fampianarana noraisinareo; halaviro ireny.


Rehefa tonga i Timôty, dia mba ataovy izay hahatsapany fa tsara fandray azy ianareo; satria miasa tahaka ahy koa izy amin’ny asan’ny Tompo.


Mpiara-miasa amin’Andriamanitra izahay, ka mananatra anareo mba tsy hamela ho very maina ny fahasoavana voarainareo taminy.


Fa ahariharinay kosa amin’ny zavatra rehetra fa mpanompon’Andriamanitra izahay, ka dia zakainay amim-pandeferana tokoa ny fahoriana sy ny fahaterena ary ny tebiteby:


Olona mivadika amin’Andriamanitra ianareo! Tsy fantatrareo ve fa izay misakaiza amin’izao tontolo izao dia fahavalon’Andriamanitra? Koa na iza na iza te ho sakaizan’izao tontolo izao, dia mampahatonga ny tenany ho fahavalon’Andriamanitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra