Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -

Matio 13:17 - DIEM PROTESTANTA

17 Eny, lazaiko marina aminareo fa maro ireo mpaminanin’Andriamanitra sy ireo olo-marina naniry hahita izay hitanareo nefa tsy nahita, ary hahare izay renareo nefa tsy nahare.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 Lazaiko aminareo marina tokoa fa maro ny mpaminany sy ny olona marina naniry hahita izay hitanareo nefa tsy mba nahita; ary naniry handre izay renareo nefa tsy mba nandre.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 Eny, lazaiko marina aminareo fa maro ireo mpaminanin’Andriamanitra sy ireo olo-marina naniry hahita izay hitanareo nefa tsy nahita, ary hahare izay renareo nefa tsy nahare.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

17 Lazaiko aminareo marina tokoa, fa maro ny mpaminany sy ny olo-marina naniry hahita ny hitanareo fa tsy nahita, ary handre ny renareo fa tsy nandre.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 Fa lazaiko aminareo marina tokoa fa maro ny mpaminany sy ny olona marina naniry hahita izay hitanareo, nefa tsy mba nahita; ary naniry handre izay renareo, nefa tsy mba nandre.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

Matio 13:17
7 Rohy Ifampitohizana  

Dia nitodika tamin’ny mpianany i Jesoa ka niteny taminy manokana hoe: –Sambatra ianareo mahita maso izao hitanareo izao!

Eny, lazaiko aminareo fa mpaminany sy mpanjaka maro no naniry hahita izay hitanareo nefa tsy nahita, ary hahare izay renareo nefa tsy nahare.

Heni-karavoana i Abrahama rainareo nanantena hahita ny androko; ary nahita izy ka faly.

Tamim-pinoana no nahafatesan’ireo olona rehetra ireo. Tsy azony akory izay nampanantenain’Andriamanitra azy, kanefa notazanin’ireo sy noarahabainy avy lavitra; ary dia niaiky izy rehetra fa vahiny sy mpivahiny teto an-tany.

Araho izahay:

dokam-barotra

dokam-barotra