Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Matio 12:42 - DIEM PROTESTANTA

42 Amin’ny andro fitsarana, dia hitsangana manoloana ny olona ankehitriny ilay mpanjakavavy avy any atsimo, ka hanameloka azy; fa niala avy any am-paran’ny tany izy mba hihaino ny fahendren’i Salômôna mpanjaka! Indro anefa misy mihoatra noho i Salômôna eto!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

42 Ny mpanjakavavy avy tany atsimo dia hiara-mitsangana amin’ity taranaka ity amin’ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa avy tany amin’ny faran’ny tany izy hihaino ny fahendren’i Solomona; nefa indro, misy lehibe noho i Solomona eto.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

42 Amin’ny andro fitsarana, dia hitsangana manoloana ny olona ankehitriny ilay mpanjakavavy avy any atsimo, ka hanameloka azy; fa niala avy any am-paran’ny tany izy mba hihaino ny fahendren’i Salômôna mpanjaka! Indro anefa misy mihoatra noho i Salômôna eto!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

42 Ilay mpanjakavavy avy any atsimo hitsangana hanohitra ity taranaka ity amin’ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa niala avy tany amin’ny faravazantany izy ka nankatỳ hihaino ny fahendren’i Salômôna, nefa indro misy lehibe noho i Salômôna eto.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

42 Ny mpanjakavavy avy tany atsimo hiara-mitsangana amin’ity taranaka ity amin’ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa avy tany amin’ny faran’ny tany izy hihaino ny fahendren’i Solomona; nefa, indro, misy lehibe noho Solomona eto.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

42 Ny mpanjakavavy avy tany atsimo hiara-mitsangana amin'ity taranaka ity amin'ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa avy tany amin'ny faran'ny tany izy hihaino ny fahendren'i Solomona; nefa, indro, misy lehibe noho Solomona eto.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 12:42
22 Rohy Ifampitohizana  

Olona avy amin’ny tany tontolo no nitady hahita an’i Salômôna mba hihaino ny fahendrena izay nataon’Andriamanitra tao am-pony.


Koa indro fa araka ny teninao no ataoko: omeko saina hendry sy mahay manavaka ianao, ka tsy hisy tahaka anao na ny olona tany alohanao na ny olona any aorianao.


Ren’ny Israelita rehetra izany fitsarana nataon’ny mpanjaka izany; ka dia nanaja azy ny olona, satria nahatsapa fa misy fahendren’Andriamanitra ao aminy hoentiny mitsara.


Koa omeo ahy mpanomponao ny saina mahiratra hifehezako ny vahoakanao sy hahaizako manavaka ny soa sy ny ratsy; fa, raha tsy eo izany, iza moa no hahay mifehy izao vahoakanao marobe izao?


Namoaka ohabolana telo arivo izy sady namoron-kira 1 005.


Noho izany àry, dia ny Tompo mihitsy no hanome famantarana ho anareo: jereo fa hitoe-jaza ny vehivavy ka hiteraka zazalahy ary ny anarany hataony hoe Himanoela, izany hoe «Andriamanitra miaraka amintsika.»


Amin’ny andro fitsarana, dia hitsangana manoloana ny olona ankehitriny ireo mponina tao Ninive, ka hanameloka azy; fa niala tamin’ny toetra ratsy ireo mponina tao Ninive nony nandre ny toritenin’i Jônà! Indro anefa misy mihoatra noho i Jônà eto.


Ary dia lazaiko aminareo fa misy eto lehibe noho ny tempoly.


Raha mbola niteny i Petera, dia nisy rahona mazava nanarona azy rehetra; ary injao nisy feo avy tao amin’io rahona io nanao hoe: –Ity no Zanako, ilay Malalako; Izy no sitrako! Henoy Izy!


Dia injany nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: –Ity no Zanako, ilay Malalako; Izy no sitrako!


Ilay Teny dia tonga olombelona, ka niara-nonina taminay. Feno fahasoavana sy fahamarinana Izy ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra avy amin’ny Ray ho an’ny Zanaka lahitokana.


Tsy nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana; fa ny Zanaka lahitokana, Izay Andriamanitra sy miombona tanteraka amin’ny Ray, no efa nanambara Azy.


Tsy any ampitan’ny ranomasina izany ka hanaovanareo hoe: «Iza no hiampita ny ranomasina haka azy ho antsika sy hampahafantatra azy antsika mba harahintsika?»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra