Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Matio 12:13 - DIEM PROTESTANTA

13 Tamin’izay i Jesoa dia niteny tamin-dralehilahy hoe: –Atsory ny tananao! Dia natsotran’ilay marary ny tanany ka sitrana, nanjary salama tahaka ny ilany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Dia hoy Izy tamin’ilay lehilahy: Atsory ny tananao. Dia natsotrany ny tanany ka sitrana tahaka an’ilay ilany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Tamin’izay i Jesoa dia niteny tamin-dralehilahy hoe: –Atsory ny tananao! Dia natsotran’ilay marary ny tanany ka sitrana, nanjary salama tahaka ny ilany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 Ary tamin’izay dia hoy Izy tamin-dralehilahy: «Ahinjiro ny tananao.» Dia nahinjiny, ka sitrana tahaka ny ilany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Dia hoy Izy tamin-dralehilahy: Ahinjiro ny tànanao. Dia nahinjiny ka sitrana ho tahaka ny anankiray.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Dia hoy Izy tamin-dralehilahy: Ahinjiro ny tananao. Dia nahinjiny ka sitrana ho tahaka ny anankiray.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 12:13
5 Rohy Ifampitohizana  

mahiratra ny jamba, mandeha tsara ny mandringa, madio ny marary hoditra, mandre ny marenina, atsangana ho velona ny maty, itoriana ny Vaovao Mahafaly ny mahantra.


Nanatsotra tanana i Jesoa dia nikasika azy sady niteny hoe: –Sitrako, madiova ianao! Avy hatrany dia nadio ny aretin-koditra nahazo an-dralehilahy.


Dia nametrahan’i Jesoa tanana ravehivavy ary nitraka niaraka tamin’izay ka nanome voninahitra an’Andriamanitra.


Nandamaka teo am-pandriana ny rain’i Pòbly fa sady voan’ny tazo no nivalan-dra. Nitsidika azy i Paoly, dia nivavaka sy nametra-tanana taminy, ka nahasitrana azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra