Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Matio 1:20 - DIEM PROTESTANTA

20 Raha mbola nieritreritra izany izy, dia nisehoan’anjelin’ny Tompo tamin’ny nofy ka nilazany hoe: –Ry Jôsefa taranak’i Davida ô, aza matahotra ny hampakatra an’i Maria vadinao! Noho ny asan’ny Fanahy Masina tokoa no nampitoe-jaza azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

20 Nefa raha mbola nisaina izany izy dia indro, nisy anjelin’ny Tompo niseho taminy tamin’ny nofy ka niteny hoe: Ry Josefa, zanak’i Davida, aza matahotra hampakatra an’i Maria vadinao; fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin’ny Fanahy Masina,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

20 Raha mbola nieritreritra izany izy, dia nisehoan’anjelin’ny Tompo tamin’ny nofy ka nilazany hoe: –Ry Jôsefa taranak’i Davida ô, aza matahotra ny hampakatra an’i Maria vadinao! Noho ny asan’ny Fanahy Masina tokoa no nampitoe-jaza azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

20 Nefa raha mbola nieritreritra izany izy, indro nisy Anjelin’ny Tompo niseho taminy, tamin’ny nofy, ka nanao hoe: «Ry Josefa, zanak’i Davida, aza matahotra hampakatra an’i Maria vadinao, fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin’ny Fanahy Masina,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

20 Fa raha mbola nisaina izany izy, indro, nisy anjelin’ny Tompo niseho taminy tamin’ny nofy ka nanao hoe: Ry Josefa, zanak’i Davida, aza matahotra hampakatra an’i Maria vadinao; fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin’ny Fanahy Masina,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

20 Fa raha mbola nisaina izany izy, indro, nisy anjelin'ny Tompo niseho taminy tamin'ny nofy ka nanao hoe: Ry Josefa, zanak'i Davida, aza matahotra hampakatra an'i Maria vadinao; fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin'ny Fanahy Masina,

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 1:20
38 Rohy Ifampitohizana  

Ka nantsoin’ny anjelin’Andriamanitra tamin’ny nofy aho nataony hoe: «Ry Jakôba ô!», dia namaly aho hoe: «Inty aho.»


Dia hoy indray Izy hoe: –Izaho no Andriamanitra, dia ilay Andriamanitry ny rainao. Aza matahotra hidina any Ejipta ianao; fa hataoko firenena lehibe any.


Fa hoy i Elià taminy: –Aza matahotra! Modia ary manaova araka izany voalazanao izany; nefa anaovy mofo kely aho aloha ka ento atỳ amiko, dia izay ianao vao manao ho anao sy ho an’ny zanakao lahy.


Fa raha mbola tao Gibehôna i Salômôna, dia nisehoan’ny TOMPO Andriamanitra tamin’ny nofy, ka nilazany hoe: –Angataho izay tianao homeko anao.


Mpanomponao aho ka mba ataovy mahira-tsaina hahafantarako ny baikonao.


Ataovy tsapako isa-maraina ny fitiavanao, satria Ianao no itokiako; ampahafantaro ahy ny lalan-kizorako, satria Ianao no ifantohako.


Rehefa feno fanahiana tao anatiko aho, dia nampionona sy nampifaly ahy Ianao.


Ny olo-marina mihevitra ny rariny; fa ny olon-dratsy kosa misaina fitaka.


Ny toe-tsainy tsy miovaova; ka omenao fiadanana hatrany izy satria matoky Anao, TOMPO ô.


Fa na handeha hiankavanana na hiankavia ianao, dia ho renao avy aoriana izao teny izao: «Ity no lalana ka araho».


Mihainoa Ahy ianareo izay mandala ny rariny, ianareo vahoaka mitana am-po ny lalànako; aza matahotra izay fanaratsian’ny olona na milefitra amin’ny fanalam-baràka ataony,


Dia hoy i Isaià taminy: –Mihainoa ahy ianao sy ny fianakavianao izay samy taranak’i Davida. Moa tsy ampy anareo ve ny manasatra ny olombelona no dia hanasatra an’Andriamanitra koa ianareo?


Dia nampandrenesina i Ahaza, taranak’i Davida, sy ny tao an-dapany fa efa mitoby any Efraîma ny Sirianina. Koa taitra ny fon’ny mpanjaka sy ny an’ny vahoakany, tahaka ny hazo any an’ala rehefa tsofin’ny rivotra.


Mandra-pahoviana ianao no mbola hiriorio etsy sy eroa, ry zanakavavy mpikomy? Fa ny TOMPO efa namorona zava-baovao eto an-tany: ny vehivavy indray no manenji-dehilahy.


Koa hariako ve ny taranak’i Jakôba sy ny an’i Davida mpanompoko? Holaviko ve ny hanendry lehibe hitondra ny taranak’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba? «Tsia, fa hamerina azy amin’ny laoniny Aho ary hamindrafo aminy.»


Dia nanizingizina tamin’ireo sy tamin’ny olom-peheziny i Gedalià nanao hoe: «Aza matahotra hanompo ny Babilônianina ianareo; monena amin’ny tany ary maneke ny mpanjakan’i Babilôna, fa hahasoa anareo izany.


ka hoy ny TOMPO taminy: –Henoy tsara ny teniko: Raha misy mpaminany eo aminareo, dia amin’ny fahitana no isehoako aminy, ary amin’ny nofy no itenenako aminy.


Toy izao no nahaterahan’i Jesoa Kristy. Efa fofombadin’i Jôsefa i Maria renin’i Jesoa tamin’izay; raha mbola tsy niray trano anefa izy roa dia hita fa nitoe-jaza i Maria noho ny asan’ny Fanahy Masina.


Ary notoroan’Andriamanitra hevitra tamin’ny nofy izy ireo tsy hiverina any amin’i Herôda, ka dia lalan-kafa no nizorany hody any amin’ny tany fonenany.


Rehefa lasa nody ireo olon-kendry, dia nisehoan’anjelin’ny Tompo tamin’ny nofy i Jôsefa ka nilazany hoe: –Mifohaza ianao, ka ento mandositra any Ejipta ny zazakely sy ny reniny; ary mitoera any ambara-pilazako aminao indray. Fa efa hotadiavin’i Herôda ny zazakely mba hamonoany azy.


Rehefa maty kosa i Herôda, dia nisehoan’anjelin’ny Tompo tamin’ny nofy i Jôsefa raha tany Ejipta ka nilazany hoe:


Nony ren’i Jôsefa kosa fa i Arkelaosy no nanjaka tany Jodea nandimby an’i Herôda rainy, dia natahotra ny hankany izy. Notoroan’Andriamanitra hevitra tamin’ny nofy indray anefa izy ka lasa nankany amin’ny faritany Galilea.


Ary raha mbola nipetraka teo amin’ny fitsarana iny i Pilato, dia naniraka olona ny vadiny hilaza aminy hoe: «Aza manao na inona na inona amin’io olo-marina io, fa nampahory ahy be ihany izay nanofisako Azy any naraina izay!»


Dia niteny tamin’ireto vehivavy ilay anjely nanao hoe: –Aoka tsy hatahotra ianareo! Fantatro fa i Jesoa, Ilay nohomboana tamin’ny hazofijaliana, no tadiavinareo.


Dia novalian’ny anjely hoe: –Izaho no Gabriela, ilay mijoro eo anatrehan’Andriamanitra mba hanompo Azy; nirahiny aho hiteny aminao sy hanambara aminao izany hafatra mahafaly izany.


Niainga avy tao Nazareta tanàna any Galilea i Jôsefa hiakatra any Jodea, hankany amin’ilay tanàna fiavian’i Davida atao hoe Betlehema, noho izy taranaka sy fokon’i Davida.


Nefa nony alina, dia nisy anjelin’ny Tompo namoha ny varavaran’ny fonja ary namoaka ny apôstôly sady nanao taminy hoe:


Aoka isika hifaly sy hiravo ary hanome voninahitra Azy, satria tonga ny fampakaram-badin’ilay Zanakondry; ary efa niomana ny vadiny,


Indray andro dia niseho tamin-dravehivavy ny anjelin’ny TOMPO ka nanao taminy hoe: –Fantatro fa momba ianao ka tsy niteraka; nefa hitoe-jaza ianao ka hitera-dahy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra