Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Marka 9:50 - DIEM PROTESTANTA

50 Zava-tsoa manko ny sira; kanefa raha ny sira no tonga matsatso, hataonareo ahoana indray no hamerina ny tsirony? Aoka ianareo hanana sira ao aminareo, ary aoka hanjaka eo aminareo ny fihavanana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

50 Tsara ny sira, kanefa raha tonga matsatso izy, inona indray no hoentinareo mampody ny tsirony? Aoka hisy sira ao anatinareo ary mihavàna tsara ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

50 Zava-tsoa manko ny sira; kanefa raha ny sira no tonga matsatso, hataonareo ahoana indray no hamerina ny tsirony? Aoka ianareo hanana sira ao aminareo, ary aoka hanjaka eo aminareo ny fihavanana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

50 Tsara ny sira, fa raha tonga matsatso izy, inona no ho entinareo mampody ny tsirony? Aoka hisy sira ao anatinareo, ka mihavàna tsara hianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

50 Tsara ny sira, fa raha tonga matsatso izy, inona no ho entinareo mampody ny tsirony? Aoka hisy sira ao anatinareo, ka mihavàna tsara ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 9:50
28 Rohy Ifampitohizana  

Azo hanina tsy misy sira ve ny sakafo matsatso? Ahitan-tsirony ve ny tapotsin’atody manta?


Hira fiakarana. Nataon’i Davida. Endrey, tsara sady mahafinaritra tokoa izany firîndran’ny mpiray tampo miara-monina!


dia tsy maintsy mitandrina tsy hiteny ratsy ary koa mitandrina tsy hilaza fitaka,


Manoloana Ahy TOMPO no hitondranao ireo ka handrarahan’ny mpisorona sira eo amboniny ary hatolony ho sorona dorana manontolo ho Ahy TOMPO.


–Ianareo no sira hanasoa ny tany; fa raha ny sira no tonga matsatso, hatao ahoana indray no fanome hasina azy? Tsy misy antony intsony izy fa dia ariam-potsiny any ivelany hohitsakitsahin’ny olona.


Tsy niteny tsy nivolana ireo, satria ny niadiany hevitra teny an-dalana dia ny hoe iza no lehibe indrindra amin’izy samy izy.


Eny, hodiovina amin’ny alalan’ny afo avokoa ny olona rehetra tahaka ny anadiovana ny sorona rehetra amin’ny alalan’ny sira.


Ary raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin’ny olona rehetra.


Ary farany, ry havako, veloma finaritra ianareo! Miezaha ho tonga lafatra, mifampahereza, miraisa saina, mihavàna, dia homba anareo ilay Andriamanitra loharanon’ny fitiavana sy ny fiadanana.


Ny vokatry ny Fanahy Masina kosa dia fitiavana, hafaliana, fiadanana, faharetana, hamoram-po, hatsaram-po, toetra mahatoky,


Aoka tsy hisy teny maloto aloaky ny vavanareo; fa mba teny mahasoa atao, hampandrosoana ny olona amin’ny finoana araka izay sahaza azy, ka hitondra soa ho an’izay mandre.


Izao ihany: manàna fitondrantena mendrika ny Vaovao Mahafaly momba an’i Kristy. Ka amin’izany, tonga moa aho, dia hahita anareo; tsy tonga kosa, dia handre ny aminareo: ka ho fantatro fa miorina tsara amin’ny firaisam-panahy ianareo, sady miray fo miara-miezaka hampandroso ny finoana vokatry ny Vaovao Mahafaly.


Olomboafidin’Andriamanitra sy voatokany ho Azy ianareo sady efa notiaviny. Noho izany, aoka ianareo hitafy hatsaram-po sy fiantrana, hamoram-po sy fanetrentena, fahalemem-panahy sy fahari-po.


Aoka ho mahatehotia sy mahasoa mandrakariva ny teny ataonareo, dia ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona tsirairay avy.


Fankatoavana be dia be ombàm-pitiavana no asehoy azy ireo, noho ny asa tontosainy. Mihavàna tsara ianareo samy ianareo.


Andosiro ny zava-dratsy ironan’ny tanora fanahy; fa aoka ny rariny, ny finoana, ny fitiavana ary ny fihavanana no hiarahanao mikatsaka amin’ireo olona miantso ny Tompo amin’ny fo mahitsy.


Iezaho ny hahatsara fihavanana amin’ny olona rehetra sy ny hanana toe-piainana masina; fa izay tsy manana toe-piainana masina dia tsy hahita ny Tompo.


satria ny olona tezitra tsy mahefa izay marina soritan’Andriamanitra.


Farany, aoka hiray saina sy hiray fo ianareo rehetra: mifankatiava toy ny mpiray tampo, mahaiza mifangoraka, manetre tena.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra