Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Marka 9:31 - DIEM PROTESTANTA

31 fa nampianatra ny mpianany Izy ary nilaza taminy hoe: –Hatolotra eo an-tanan’ny olona ny Zanak’olona ka hovonoiny ho faty, ary andro fahatelo aorian’ny hahafatesany dia hitsangana velona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

31 Fa nampianatra ny mpianany Izy ka niteny taminy hoe: Ny Zanak’Olona dia hatolotra eo an-tanan’ny olona ka hovonoiny; ary rehefa maty Izy dia hitsangana rehefa afaka hateloana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

31 fa nampianatra ny mpianany Izy ary nilaza taminy hoe: –Hatolotra eo an-tanan’ny olona ny Zanak’olona ka hovonoiny ho faty, ary andro fahatelo aorian’ny hahafatesany dia hitsangana velona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

31 Tsy fantatr’izy ireo anefa izany teny izany, sady tsy sahiny nanontaniana Azy koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

31 Fa nampianatra ny mpianany Izy ka nanao taminy hoe: Ny Zanak’olona dia hatolotra eo an-tànan’ny olona ka hovonoiny; ary rehefa voavono Izy, dia hitsangana rehefa afaka hateloana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

31 Fa nampianatra ny mpianany Izy ka nanao taminy hoe: Ny Zanak'olona dia hatolotra eo an-tànan'ny olona ka hovonoiny; ary rehefa voavono Izy, dia hitsangana rehefa afaka hateloana.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 9:31
19 Rohy Ifampitohizana  

Hatramin’io fotoana io i Jesoa dia nanomboka nilaza mazava tamin’ny mpianany hoe: –Tsy maintsy hankany Jerosalema Aho ka hataon’ny loholona sy ny lohandoha-mpisorona ary ny mpahay lalàna mijaly mafy tokoa, dia hovonoina ho faty; nefa hitsangana velona amin’ny andro fahatelo.


Dia tahaka ny Zanak’olona izany: tsy hotompoina manko no nahatongavany fa hanompo ary hanolotra ny ainy ho fanavotana ny besinimaro!


–Fantatrareo fa indroa andro sisa tsy hahatongavan’ny fankalazana ny Paska; ary ny Zanak’olona dia hatolotra hohomboana amin’ny hazofijaliana.


ka nanao hoe: –Tompoko, tsaroanay fa fony mbola velona iny mpamitaka iny dia izao no teniny: «Amin’ny andro fahatelo, dia hitsangana velona Aho.»


ka hoesoiny, hororany sy hokapohiny ary dia hovonoiny ho faty. Kanefa andro fahatelo aorian’izany, dia hitsangana velona Izy.


Dia nanomboka nilaza tamin’ny mpianatra i Jesoa hoe: –Tsy maintsy hijaly mafy ny Zanak’olona, ka holavin’ny loholona sy ny lohandoha-mpisorona ary ny mpahay lalàna, dia hovonoina ho faty; nefa andro fahatelo aorian’izany, dia hitsangana velona.


Ary hoy i Jesoa taminy: –Tsy maintsy ho avy i Elià hampody ny zavatra rehetra amin’ny laoniny, alohan’ny hahatongavan’ny Mesia; fa ahoana kosa no ilazan’ny Soratra Masina momba ny Zanak’olona fa hoe tsy maintsy hijaly mafy Izy ary hatao tsinontsinona?


Moa tsy tokony ho niaritra izany ve ny Mesia, alohan’ny hidirany any amin’ny voninahiny?


–Tadidio tsara izao teny izao: Hatolotra eo an-tanan’ny olombelona ny Zanak’olona.


Tsy misy manaisotra ny aiko amiko, fa Izaho ihany no manolotra azy. Manana fahefana hanolotra ny aiko Aho, ary manana fahefana handray azy indray: izany didy izany no azoko tamin’ny Raiko.


Fa novalian’i Jesoa hoe: –Ravao ity tempoly ity ary ao anatin’ny telo andro dia hajoroko indray!


Ary tahaka ny nanandratan’i Mosesy ny bibilava varahina tany an-taniefitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’olona


raha miaritra ny mafy isika, dia hiara-manjaka aminy koa; fa raha lavintsika Izy, dia mba holaviny koa isika;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra