Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Marka 14:27 - DIEM PROTESTANTA

27 Ary hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: –Handao Ahy avokoa ianareo rehetra, satria izao no voalazan’ny Soratra Masina; «Hasiako ny mpiandry, dia hiparitaka ny ondry.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

27 Ary hoy Jesosy taminy: Ho tafintohina avokoa ianareo rehetra; fa voasoratra hoe: «Hamely ny mpiandry Aho dia hihahaka ny ondry» (Zak 13.7).

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

27 Ary hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: –Handao Ahy avokoa ianareo rehetra, satria izao no voalazan’ny Soratra Masina; «Hasiako ny mpiandry, dia hiparitaka ny ondry.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

27 Ary hoy i Jesoa taminy: «Ho tafintohina noho ny amiko ianareo rehetra anio alina; fa efa voasoratra hoe: ‹Hokapohina ny mpiandry, dia hihahaka ny ondry›;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

27 Ary hoy Jesosy taminy: Ho tafintohina avokoa hianareo rehetra; fa voasoratra hoe: „Hamely ny mpiandry Aho, dia hihahaka ny ondry” (Zak. 13.7).

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

27 Ary hoy Jesosy taminy: Ho tafintohina avokoa ianareo rehetra; fa voasoratra hoe: Hamely ny mpiandry Aho, dia hihahaka ny ondry (Zak. 13. 7).

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 14:27
7 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy ny teny hentitry ny Tompon’izao rehetra izao hoe: «Ry sabatra, mifohaza hamely ity mpiandry sady lehilahy namako ity Asio ny mpiandry, dia hiparitaka ny ondry; ary hiverina hamely hatramin’ny madinika Aho.»


Koa sambatra izay tsy voasakana hino Ahy!


Tamin’izay dia hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: –Anio alina dia handao Ahy avokoa ianareo, satria izao no voalazan’ny Soratra Masina: «Hasiako ny mpiandry, dia hiparitaka ny ondry andrasana.»


Ireo zavatra ireo no voalazako taminareo, dia mba tsy hahavery finoana anareo.


Indro avy ary efa tonga sahady aza ny andro izay hielezanareo samy ho any amin’ny misy anareo avy, ary handaozanareo Ahy ho irery; kanefa tsy irery Aho, fa miaraka amiko ny Ray.


Fony aho nandaha-teny hiarovako tena tamin’ny voalohany, dia tsy nisy nomba ahy fa nandao ahy avokoa ny olona. Tsy hotanan’Andriamanitra ho hadisoany anie izany!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra