Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Marka 11:31 - DIEM PROTESTANTA

31 Dia velona ady hevitra ry zareo ka nifampiresaka hoe: –Raha lazaintsika hoe: «Andriamanitra no naniraka azy», dia hanontany Izy hoe: «Koa nahoana no tsy ninoanareo i Jôhany?»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

31 Ary izy ireo nikaon-doha ka niteny hoe: Raha lazaintsika mantsy hoe: Avy tany an-danitra, dia hataony hoe: Nahoana ary no tsy nino azy ianareo?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

31 Dia velona ady hevitra ry zareo ka nifampiresaka hoe: –Raha lazaintsika hoe: «Andriamanitra no naniraka azy», dia hanontany Izy hoe: «Koa nahoana no tsy ninoanareo i Jôhany?»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

31 Dia nieritreritra izy ireo, ka nanao hoe: «Raha valiantsika hoe avy any an-danitra mantsy, dia hataony hoe: Nahoana àry no tsy ninoanareo?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

31 Ary izy ireo niara-nisaina ka nanao hoe: Raha holazaintsika hoe mantsy: Avy tany an-danitra, dia hataony hoe: Nahoana ary no tsy nino azy hianareo?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

31 Ary izy ireo niara-nisaina ka nanao hoe: Raha holazaintsika hoe mantsy: Avy tany an-danitra, dia hataony hoe: Nahoana ary no tsy nino azy ianareo?

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 11:31
11 Rohy Ifampitohizana  

Fa iretsy mpianany kosa niady hevitra nifampilaza hoe: –Noho isika tsy nitondra mofo angaha izany!


Iza no naniraka an’i Jôhany hanao batisa, Andriamanitra sa olombelona? Valio Aho!


Raha lazaintsika hoe: «Olombelona no naniraka azy...» (Natahotra ny vahoaka ry zareo satria neken’ny olona rehetra fa mpaminanin’Andriamanitra tokoa i Jôhany).


Vavolombelona manambara Azy i Jôhany ka niantso mafy hoe: –Izy no Ilay voalazako hoe: «Ilay tamy aoriako dia lehibe noho izaho, satria efa nisy talohako.»


Nony ampitso, dia nahita an’i Jesoa avy nanatona azy i Jôhany ka hoy izy: –Indro ny Zanakondrin’Andriamanitra, Ilay manala ny fahotan’izao tontolo izao!


Ary nahita aho, ka dia vavolombelona manambara fa Izy no Zanak’Andriamanitra.


ary nahatazana an’i Jesoa nandalo i Jôhany ka hoy izy hoe: –Indro ny Zanakondrin’Andriamanitra!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra