Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Malakia 2:13 - DIEM PROTESTANTA

13 Ary izao koa no mbola ataonareo: ataonareo hotsa-dranomaso ny alitaran’ny TOMPO; mitomany sy midradradradra ianareo, satria tsy miraika amin’izay fanatitrareo intsony Izy ary tsy manaiky intsony izay zavatra aterinareo aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Faharoan’izany, izao koa no ataonareo: Saronanareo ranomaso sy fitomaniana ary fisentoana ny alitaran’NY TOMPO ka tsy mba jereny intsony ny fanatitra ary tsy hankasitraka na inona na inona avy amin’ny tananareo Izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Ary izao koa no mbola ataonareo: ataonareo hotsa-dranomaso ny alitaran’ny TOMPO; mitomany sy midradradradra ianareo, satria tsy miraika amin’izay fanatitrareo intsony Izy ary tsy manaiky intsony izay zavatra aterinareo aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 Izao koa no zavatra faharoan’izany ataonareo: tondrahanareo ranomaso sy fitolokoana izany, ka tsy ahoan’i Iaveh intsony izay fanatitra, ary tsy raisiny intsony izay fanatitra mahafinaritra avy amin’ny tananareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Ary faharoan’izany, dia izao koa no ataonareo: Saronanareo ranomaso sy fitomaniana ary fisentoana ny alitaran’i Jehovah, ka tsy mba jereny intsony ny fanatitra, ary tsy handray fankasitrahana avy amin’ny tànanareo Izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Ary faharoan'izany, dia izao koa no ataonareo: Saronanareo ranomaso sy fitomaniana ary fisentoana ny alitaran'i Jehovah, ka tsy mba jereny intsony ny fanatitra, ary tsy handray fankasitrahana avy amin'ny tananareo Izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Malakia 2:13
15 Rohy Ifampitohizana  

Indray andro dia nisy lehilahy sy vehivavy sarambabem-bahoaka nitaraina mafy noho ny ataon’ny Jiosy sasany mpiray firenena aminy.


Halan’ny TOMPO ny sorona aterin’ny olon-dratsy; fa sitrany kosa ny vavaky ny olo-mahitsy.


Zava-maharikoriko ny sorona ataon’ireo olon-dratsy, indrindra fa amin-kafetsena no anolorany azy.


Hitako koa ny tsy rariny rehetra atao eto ambonin’ny tany. Miantsoantso ireo voan’ny tsindry hazo lena, fa tsy mba misy afa-manampy azy. Eo am-pelatanan’ny mpamoritra manko ny fahefana, hany ka tsy mba misy afa-manampy azy.


Ary ianao, ry Jeremià, aza mivavaka amiko ho an’ity vahoaka ity intsony na manandratra fitarainana na fifonana ho azy; satria rehefa hiharan’ny loza izy, ka hiantso vonjy amiko ianao, dia tsy hihaino Aho.


Fa na dia mifady hanina aza izy, dia tsy hihaino ny fangatahany Aho. Ary na manao sorona dorana manontolo sy fanatitra hanina aza izy, dia tsy sitrako fa haripako amin’ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana.


Nahoana moa Aho no anafarana vovo-javamanitra avy any Sebà sy veromanitra avy any an-tany lavitra? Tsy sitrako ny sorona dorany manontolo ary tsy teliko ny sorona hafa ataony ho Ahy.


Tokony hohidin’ny anankiray aminareo ny varavaran’ny tempoly mba tsy handrehetanareo afo tsy misy lanjany eo amin’ny alitarako. Tsy sitrako ny hahita anareo na ny handray izay fanatitra ataonareo, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao.


Tandremo fandrao mitsiry ao am-ponareo ny hevi-dratsy manao hoe: «Antomotra ity ny taona fahafito, dia ny taona famoizan-trosa.» Aoka ianareo tsy ho ratsy fijery an’ilay mahantra mpiray firenena aminareo, ka tsy hanome azy na inona na inona; fa hitaraina amin’ny TOMPO hiampanga anareo izy, ka dia ho fahotanareo izany.


Ireo zavatra ireo tsy nisy nohaniko fony aho nisaona, na navoakako ny tranoko fony aho naloto ara-pivavahana, na nomeko hatao fanatitra noho ny maty; fa efa nihaino ny feonao aho, ry TOMPO Andriamanitro, ka nanao araka izay rehetra nandidianao ahy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra