Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Levitikosy 9:19 - DIEM PROTESTANTA

19 Ary natolotr’ireo azy koa ny tavin’ireo sorom-pihavanana ireo, dia ny jaboran-tsinainy sy ny voany ary ny ila-atiny mbamin’ny hofak’ilay ondrilahy;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 Natolony azy koa ny jaboran’ny omby sy ny hofaky ny ondrilahy mbamin’ny jabora mandrakotra ny taovany ary ny voany roa sy ny ila atiny lehibe.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 Ary natolotr’ireo azy koa ny tavin’ireo sorom-pihavanana ireo, dia ny jaboran-tsinainy sy ny voany ary ny ila-atiny mbamin’ny hofak’ilay ondrilahy;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

19 Natolony koa ny tavin’ombalahy aman’ondralahy, ny hofany, ny sabora saron-tsinainy, ny voany, ary ny saron’atiny;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 Ary natolony azy koa ny saboran’ny omby sy ny hofaky ny ondrilahy mbamin’ny safodrorohany ary ny voany roa sy ny ila-atiny lehibe,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

19 Ary natolony azy koa ny saboran'ny omby sy ny hofaky ny ondrilahy mbamin'ny safodrorohany ary ny voany roa sy ny ila-atiny lehibe,

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 9:19
7 Rohy Ifampitohizana  

Aza haninareo manta na hahandroina ny hena, fa atsatsiho amin’ny afo manontolo miaraka amin’ny lohany sy ny tongony ary ny taovany.


Halainao ny sabora izay mandrakotra ny tsinainy mbamin’ny saron’atiny ary ny voany roa mbamin’ny sabora eo aminy, dia hodoranao eo ambony alitara avokoa.


Ny anankiray amin’ny mpisorona kosa handoro izany hanetona eo ambonin’ny alitara. Sakafo levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahina izany. «Ny faritra matavy rehetra dia atokana ho an’ny TOMPO.


Ireo taranak’i Aharôna kosa handoro izany hanetona eo ambonin’ny alitara, miaraka amin’ireo sorona dorana manontolo eo ambonin’ny kitay mirehitra. Sakafo levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahina ho an’ny TOMPO izany.


Amin’io ondry sorom-pihavanana io, dia halain’ny mpanolotra mba holevonina amin’ny afo ho an’ny TOMPO ireto tavin-kena ireto: ny hofany manontolo esorina amin’ny hazon-damosiny; ny safodrorohany sy ny jaboran-tsinainy;


Ny jaborany kosa sy ny voany roa ary ny ila atiny, avy tamin’ilay sorona fanalana ny ota, dia nodorany hanetona teo ambonin’ny alitara, araka izay nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy;


dia napetraka teo ambonin’ny tratran’ireo sorom-pihavanana ireo avokoa ny taviny, vao nodorana teo ambonin’ny alitara;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra