Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Levitikosy 8:24 - DIEM PROTESTANTA

24 Nasain’i Mosesy nanatona koa ny zanakalahin’i Aharôna, ka samy notentenany ra ny tendron’ny ravin-tsofiny ankavanana sy ny ankiben-tanany ankavanana ary ny ankiben-tongony ankavanana; ny ra sisa kosa nafafin’i Mosesy manodidina tamin’ny lafin’ny alitara.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

24 Nampanatoniny koa ireo zanak’i Arona ka nohosoran’i Mosesy ra ny ravin-tsofiny havanana sy ny ankiben-tanany havanana ary ny ankiben-tongony havanana; dia nofafazan’i Mosesy ny ra sisa ny manodidina ny alitara.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

24 Nasain’i Mosesy nanatona koa ny zanakalahin’i Aharôna, ka samy notentenany ra ny tendron’ny ravin-tsofiny ankavanana sy ny ankiben-tanany ankavanana ary ny ankiben-tongony ankavanana; ny ra sisa kosa nafafin’i Mosesy manodidina tamin’ny lafin’ny alitara.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

24 Nampanatoniny koa ny zanak’i Aarôna, dia notentenany ra ny tendron-dravin-tsofin’izy ireo ankavanana, ny ankiben-tanany havanana, ary ny ankiben-tongony havanana, vao naidiny manodidina ny ôtely ny ra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

24 Ary nentiny nanatona koa ny zanak’i Arona, ka notentenan’i Mosesy ny ra ny tendron’ny ravin-tsofiny ankavanana sy ny ankihiben-tànany ankavanana ary ny ankihiben-tongony ankavanana; ary ny ra sisa dia natopin’i Mosesy manodidina tamin’ny lafin’ny alitara.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

24 Ary nentiny nanatona koa ny zanak'i Arona, ka notentenan'i Mosesy ny rà ny tendron'ny ravin-tsofiny ankavanana sy ny ankihiben-tànany ankavanana ary ny ankihiben-tongony ankavanana; ary ny rà sisa dia natopin'i Mosesy manodidina tamin'ny lafin'ny alitara.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 8:24
4 Rohy Ifampitohizana  

Hovonoinao ho faty ilay ondrilahy, ary hanalanao ny rany ka hatentinao amin’ny tendron-dravintsofina ankavanan’i Aharôna sy ny zanany, ary amin’ny ankiben-tongotra aman-tanany ankavanana avy; avy eo dia hafafinao amin’ny lafin’ny alitara ambony manodidina ny ra sisa.


Hangalan’ny mpisorona ny ran’ilay sorom-panonerana mba hanentenany an’ilay diovina: dia hatentiny eo amin’ny ravin-tsofiny ankavanana sy ny ankiben-tanany ankavanana ary ny ankiben-tongony ankavanana izany.


Dia nalainy ny tavin-kenan’ilay ondrilahy, izany hoe ny hofany sy ny jaboran-tsinainy rehetra ary ny ila atiny sy ny voany mbamin’ny fanomboany, ary nalainy koa ny feny ankavanana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra