Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Levitikosy 8:21 - DIEM PROTESTANTA

21 nodorany hanetona koa ny tsinainy sy ny tongony rehefa avy nosasany. Indray nodorany hanetona teo ambonin’ny alitara ilay ondrilahy: sorona dorana manontolo izany, dia sorona levonina amin’ny afo hanitra ankasitrahina ho an’ny TOMPO, araka izay efa nandidiany an’i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

21 Nosasany tamin’ny rano ny taovany sy ny tongony; ary nodoran’i Mosesy ho fofona teo ambonin’ny alitara ny tenan’ilay ondrilahy manontolo. Fanatitra dorana manontolo izany mba ho hanitra ankasitrahana; fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

21 nodorany hanetona koa ny tsinainy sy ny tongony rehefa avy nosasany. Indray nodorany hanetona teo ambonin’ny alitara ilay ondrilahy: sorona dorana manontolo izany, dia sorona levonina amin’ny afo hanitra ankasitrahina ho an’ny TOMPO, araka izay efa nandidiany an’i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

21 Nosasany tamin’ny rano ny tsinainy aman-tongony, dia nataon’i Môizy indray mandotra hanetona ny ondralahy manontolo; sorona dorana ho hanitra ankasitrahina izany, sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

21 Ary ny taovany sy ny tongony nosasany tamin’ny rano; dia nodoran’i Mosesy ho fofona teo ambonin’ny alitara ny tenan’ny ondrilahy; fanatitra dorana izany ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin’ny afo ho an’i Jehovah, araka izay efa nandidian’i Jehovah an’i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

21 Ary ny taovany sy ny tongony nosasany tamin'ny rano; dia nodoran'i Mosesy ho fofona teo ambonin'ny alitara ny tenan'ny ondrilahy; fanatitra dorana izany ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 8:21
11 Rohy Ifampitohizana  

Ary nony ren’ny TOMPO ilay hanitra ankasitrahiny, dia hoy IZY anakampo hoe: «Tsy mba hanozona ny tany intsony Aho noho ny amin’ny olombelona. Eny, manomboka amin’ny fahatanorany, dia mirona ho amin’ny ratsy ny fon’ny olombelona; koa tsy hamely ny miaina rehetra intsony toy izay nataoko Aho.


Aza haninareo manta na hahandroina ny hena, fa atsatsiho amin’ny afo manontolo miaraka amin’ny lohany sy ny tongony ary ny taovany.


Hodoranao ilay biby manontolo mba ho sorona dorana manontolo ho Ahy TOMPO: ho hanitra ankasitrahina ho AHY io sorona io.


Notanterahin’i Mosesy an-tsakany sy an-davany ny baiko rehetra nomen’ny TOMPO,


Izay mpanolotra no hanasa ny taovany sy ny tongony; fa ilay mpisorona kosa no hitondra azy rehetra ka handoro azy hanetona eo ambonin’ny alitara. Sorona dorana manontolo izany, dia sorona levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahina ho an’ny TOMPO.


ary hosamahiny anelanelan’ny elany fa tsy hosarahiny roa tanteraka ilay vorona, ka hodorany hanetona eo ambonin’ny alitara, dia eo ambonin’ny kitay izay napetraka tambony vainafo. Sorona dorana manontolo izany, dia sorona levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahina ho an’ny TOMPO.


Izay mpanolotra no hanasa amin’ny rano ny taovany sy tongony; fa mpisorona anankiray kosa no handoro azy rehetra hanetona eo ambonin’ny alitara. Sorona dorana manontolo izany, dia sorona levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahina ho an’ny TOMPO.


Hanavaka ny fanati-pahatsiarovana avy amin’izany izy ka handoro azy hanetona eo ambonin’ny alitara. Fanatitra levonina amin’ny afo izany ho hanitra ankasitrahina ho an’ny TOMPO.


Dia nampanatonin’i Mosesy koa ireo zanakalahin’i Aharôna ka nampiakanjoiny akanjo lava sy noetràny fehikibo ary nametrahany satroboninahitra, araka izay efa nandidian’ny TOMPO azy.


Napetrany teo an-dohany kosa ny lamba satro-doha; ary napetrany teo anoloan’ilay satro-doha ny takela-bolamena, marika famantarana fa voatokana ho an’ny TOMPO i Aharôna, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.


Ny fitiavana no aoka hanenika ny fitondrantenanareo, tahaka ny nitiavan’i Kristy antsika sy nanolorany tena tamin’Andriamanitra toy ny fanatitra sy sorona manitra mamerovero ho fanasoavana antsika.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra