Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Levitikosy 8:19 - DIEM PROTESTANTA

19 Novonoin’i Mosesy io, ary ny rany dia nafafiny manodidina tamin’ny rindrin’ny alitara.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 Dia novonoina iny ka nofafazan’i Mosesy ra ny manodidina ny alitara.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 Novonoin’i Mosesy io, ary ny rany dia nafafiny manodidina tamin’ny rindrin’ny alitara.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

19 Dia novonoina izy, ary i Môizy nanidina ny rany manodidina tamin’ny ôtely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 Dia novonoina iny; ary Mosesy nanipy ny ra manododina tamin’ny lafin’ny alitara.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

19 Dia novonoina iny; ary Mosesy nanipy ny rà manodidina tamin'ny lafin'ny alitara.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 8:19
5 Rohy Ifampitohizana  

Dia novonoina ny ombilahy, ary nalain’ny mpisorona ny ra ka nararany tamin’ny alitara; novonoina koa ny ondrilahy sy ny zanak’ondry ka samy nararaka tamin’ny alitara ny rany.


Izay mpanolotra no hamono azy eo avaratry ny alitara, eo anoloan’ny Toeramasin’ny TOMPO: fa ireo mpisorona taranak’i Aharôna kosa hamafy ny ra manodidina eo amin’ny rindrin’ny alitara.


Dia nasain’i Mosesy nampanatonina koa ny ondrilahy hatao sorona dorana manontolo; ka i Aharôna sy ny zanany no nametra-tanana teo amin’ny lohan’ny ilay ondrilahy.


Rehefa izany, nataony rasa vaventy ilay ondrilahy, ka nodorany hanetona ny lohany sy ny hena voarasa ary ny taviny;


Nofafazan’i Mosesy ra toy izany koa ny tranolay sy ireo fanaka rehetra fampiasa amin’ny fanompoam-pivavahana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra