Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Levitikosy 4:27 - DIEM PROTESTANTA

27 «Raha olona iray anisan’ny vahoaka israelita no nanota tsy nahy ka nandika ny anankiray amin’ny didin’ny TOMPO momba ny zavatra tsy tokony hatao, dia meloka izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

27 Raha misy olona amin’ny vahoaka manota tsy nahy ary meloka satria mandika ny iray amin’ireo didin’NY TOMPO amin’izay tsy tokony hatao,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

27 «Raha olona iray anisan’ny vahoaka israelita no nanota tsy nahy ka nandika ny anankiray amin’ny didin’ny TOMPO momba ny zavatra tsy tokony hatao, dia meloka izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

27 Raha ny iray amin’ny sarambabem-bahoaka no nanota tsy nahy, nanao ny iray amin’ny zavatra noraran’i Iaveh tsy hatao, ka tonga meloka izy,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

27 Ary raha misy amin’ny vahoaka manota tsy nahy ka mandika ny anankiray amin’ny didin’i Jehovah amin’izay tsy tokony hatao ka meloka,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

27 Ary raha misy amin'ny vahoaka manota tsy nahy ka mandika ny anankiray amin'ny didin'i Jehovah amin'izay tsy tokony hatao ka meloka,

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 4:27
14 Rohy Ifampitohizana  

Mety manao hadisoana ny olona, saingy tsy mahatsikaritra akory; koa mamelà ahy amin’ny ota tsy nahy.


«Fepetra mitovy no ampiharina amin’ny Israelita sy ny vahiny valovotaka eo amin’ny taninareo.»


Io printsy filohan’i Israely io kosa no hiantoka ny sorona dorana manontolo ary ny fanatitra lafarinina sy divay mandritra ny fety, indrindra fa amin’ny voaloham-bolana sy ny andro sabata ary ny fotoana hafa rehetra fivorian’ny vahoakan’i Israely. Eny, ny printsy filoha no hiantoka ny sorona fanalana ny ota sy ny fanatitra vokatry ny tany ary ny sorona dorana manontolo sy ny sorom-pihavanana mba hahazoana famelan-keloka ho an’ny vahoakan’i Israely.»


Tahaka izany koa no hatao amin’ny andro fahafiton’io volana io ho an’izay olona nanota tsy nahy na tsy amim-pahalalana. Toy izany no hanadiovana ny tempoly.


«Raha ny Fiangonan’ny Israelita tsivakivolo no manota tsy nahy ka nandika ny anankiray amin’ny didin’ny TOMPO momba ny zavatra tsy tokony hatao, dia meloka izy na tsy misy mahatsikaritra izany aza ny Fiangonany.


mba hamepetra ny Israelita hoe: «Raha misy olona manota tsy nahy ka mandika ny anankiray amin’ireny didin’ny TOMPO momba ny zavatra tsy tokony hatao ireny, dia sorona fanalana ny ota no aoka hataony.


«Raha manampahefana no manota tsy nahy ka nandika ny anankiray amin’ny didin’ny TOMPO Andriamanitra momba ny zavatra tsy tokony hatao, dia meloka izy.


«Raha misy olona manota satria manao tsy nahy ny anankiray amin’ny zavatra noraran’ny TOMPO, dia manjary manan-tsiny izy sady itambesaran’ota.


Avy eo dia natolotr’i Aharôna tamin’ny TOMPO ireo soron’ny vahoaka; ka nalainy ny osilahy hatao sorona fanalana ny otan’ny vahoaka, dia novonoiny ary natolony ho fanalana ny ota, tahaka ny nataony tamin’ilay ombilahikely teo aloha.


Lalàna sy fitsipika iray ihany no mifehy anareo sy izay vahiny eo aminareo.»


«Mety ho tsy nahy no nandikanareo ny iray amin’ireo didy rehetra nolazaiko tamin’i Mosesy,


«Raha olona tokana kosa no nanota tsy nahy, dia osivavy anankiray vao iray taona no hatolony ho sorona fanalana ny ota.


Mitovy ihany ny lalàna na amin’ny Israelita na amin’ny vahiny izay eo aminy, raha toa ka misy ny manota tsy nahy.


mba hamepetra ny Israelita hoe: –Raha misy lehilahy na vehivavy diso amin’ny TOMPO satria nanao izay mampalahelo olona, dia meloka tokoa tokoa izy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra