Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Levitikosy 27:18 - DIEM PROTESTANTA

18 Fa raha aorian’ny taona Jobily kosa no anavahana tany hatokana ho an’ny Tompo, dia ny isan’ny taona sisa mandra-pahatongan’ny taona Jobily no hameran’ny mpisorona ny vidiny, ka dia hahenany araka izany ny tombam-bidiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 Fa raha misy manamasina ny taniny aorianany dia holazain’ny mpisorona aminy ny vola araka ny taona sisa, dia hatramin’ny taona Jobily, ary hahena araka izany no hanaovana ny tombany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 Fa raha aorian’ny taona Jobily kosa no anavahana tany hatokana ho an’ny Tompo, dia ny isan’ny taona sisa mandra-pahatongan’ny taona Jobily no hameran’ny mpisorona ny vidiny, ka dia hahenany araka izany ny tombam-bidiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

18 fa raha atỳ aorian’ny Jobily kosa no hanokanany ny taniny, dia ho araka ny isan’ny taona sisa mandra-piavin’ny Jobily no hanombanan’ny mpisorona ny vidiny, ka hahenany ny tombany nataonao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 Fa raha misy manamasina ny taniny ao aorian’ny Jobily, dia holazain’ny mpisorona aminy ny vola araka ny taona sisa, dia hatramin’ny taona Jobily, ary hahena araka izany no hanaovanao ny tombany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Fa raha misy manamasina ny taniny ao aorian'ny Jobily, dia holazain'ny mpisorona aminy ny vola araka ny taona sisa, dia hatramin'ny taona Jobily, ary hahena araka izany no hanaovanao ny tombany.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 27:18
7 Rohy Ifampitohizana  

dia izao no hataony: hanisa taona manomboka hatreo amin’ny nivarotany azy izy, ka ny an-kevitry ny taona sisa mandra-piavin’ny taona Jobily no haloany vola amin’ilay nivarotany azy; dia hody amin’ny fananany indray ralehilahy tompony.


«Raha trano no avahana hatokana ho an’ny TOMPO, dia hotombanan’ny mpisorona ny vidin’ilay trano araka ny hatsàrany na haràtsiny, dia izay tombam-bidy nataony no harahina.


Raha manomboka amin’ny taona Jobily no anavahana tany hatokana ho an’ny Tompo, dia izany tombam-bidy izany no harahina.


«Raha tian’ny tompony havotana ny taniny, dia ny tombam-bidy tongoavana ampahadimy no haloany; dia hapetraka ho azy ny tany.


dia araka ny isan’ny taona sisa mandra-pahatongan’ny taona Jobily no hameran’ny mpisorona ny tombam-bidiny; ary androtr’io ihany no handoavan’ilay olona izany, dia hatokana ho an’ny TOMPO io vola io.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra