Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Levitikosy 26:13 - DIEM PROTESTANTA

13 Izaho no TOMPO Andriamanitrareo, Ilay namoaka anareo hiala tany Ejipta mba tsy hanandevozany anareo intsony; notapahiko ny zioga izay teo aminareo mba hitrakanareo fandeha.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Izaho no TOMPO Andriamanitrareo izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta mba tsy ho andevony ianareo; ary nanapaka ny zioga izay teo aminareo Aho ka nampandeha anareo mitraka.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Izaho no TOMPO Andriamanitrareo, Ilay namoaka anareo hiala tany Ejipta mba tsy hanandevozany anareo intsony; notapahiko ny zioga izay teo aminareo mba hitrakanareo fandeha.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 Izaho no Iaveh Andriamanitrareo izay namoaka anareo hiala any amin’ny tany Ejipta, mba tsy ho andevo any intsony; nanapaka ny baran’ny jioganareo Aho, dia nandefa anareo handeha misolanandrana.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ny tany Egypta, mba tsy ho andevony hianareo; ary nanapaka ny zioga izay teo aminareo Aho ka nampandeha anareo mijoro.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, mba tsy ho andevony ianareo; ary nanapaka ny zioga izay teo aminareo Aho ka nampandeha anareo mijoro,

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 26:13
18 Rohy Ifampitohizana  

TOMPO ô, mpanomponao aho; eny, mpanomponao tokoa aho sady zanaky ny mpanompovavinao, ka novahanao ny fatorako.


Ary ny TOMPO dia nanamafy fo ny Farao, mpanjakan’i Ejipta, mba hanenjika ny Israelita izay niala tany Ejipta tamin-kalalahana.


–Izaho no TOMPO Andriamanitrao, Izay namoaka anao hiala tany Ejipta, toera-nanandevozana anao.


Halaiko ho vahoakako ianareo, ary Izaho ho Andriamanitrareo; dia ho fantatrareo fa Izaho TOMPO Andriamanitrareo no namoaka anareo hiala amin’ny asa an-terivozona nampanaovin’ny Ejiptianina.


Io tsatokaty io dia hatolotro eo an-tanan’ny nampahory anao, dia ireo olona nilaza taminao hoe: ‹Miankohofa amin’ny tany mba hohitsahinay›; ka voatery ianao nanolotra ny lamosinao ho tahaka ny tany eny an-dalambe natao hohitsahin’ireo mpandalo.»


Fa ny ziogam-pamoretana nanindry ny vahoakanao ny tsora-kazo nikapohana ny lamosiny, ny kibay namelezan’ny mpampiasa azy dia samy hopotehinao avokoa toy ny tamin’ny andro nampandosiranao ny Midianita.


Hatramin’ny ela no efa nanapahanao ny zioganao ary namahanao ny fatoranao tamiko ka nilazanao hoe: «Tsy hanompo intsony aho». Kinanjo teny amin’ny havoana rehetra sy teny am-pototry ny hazo maitso rehetra teny no nitsilailay toy ny vehivavy mpivaro-tena ianao.


–Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: «Hopotehiko ny ziogam-pamoretana angejan’ny mpanjakan’i Babilôna anareo.


Haveriko eto koa i Jekonià, zanakalahin’i Jôiakima sady mpanjakan’i Joda, mbamin’ny Jodeanina rehetra izay nentina ho babo tany Babilôna, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO. Eny, hopotehiko ny ziogam-pamoretana angejan’ny mpanjakan’i Babilôna anareo».


Tsy hisy andro mihiratra intsony ao Tahapanehesa rehefa hopotehiko ny herin’i Ejipta ary hatsahatro ny fireharehany. Hisy rahona mainty handrakotra ny tanàna, ary ho lasan-ko babo ny mponina amin’izany faritra izany.


Hamoa ny hazo eny an-tsaha ary hahavokatra ny tany; ka ny vahoakako hilamina eo amin’ny taniny. Hotapahiko ny gadra izay mampahory ny vahoakako, ka hafahako eo an-tanan’ny mpanandevo azy izy. Amin’izay hoekeny fa Izaho no TOMPO.


Notahitahîko ny fitarihana azy tamin’ny mahazakam-pitiavana; ary ho azy Aho dia toy ny reny izay manainga ny zanany hatehika amin’ny takolaka sady niondrika namahana azy.


Izaho no TOMPO Andriamanitrareo, Ilay namoaka anareo hiala tany Ejipta mba hanome anareo ny tany Kanahàna sady ho Andriamanitrareo.


Fa mpanompoko ny Israelita izay navoakako hiala tany Ejipta, ka tsy tokony hamidy tahaka ny andevo.


«Eny, mpanompoko ny Israelita, dia mpanompoko navoakako hiala tany Ejipta. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.


Ankehitriny dia homontsaniko ny ziogam-pahavalo mangeja anareo; ary hotapahiko ny gadranareo.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra