Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Levitikosy 23:7 - DIEM PROTESTANTA

7 Ny andro voalohany amin’ireo andro fito ireo, dia hisy fanompoam-pivavahana hivorianareo, ka aza manao ny raharaha andavanandro ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Amin’ny andro voalohany dia hisy fivoriana masina ho anareo; aza manao raharaha fanompoana ianareo

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Ny andro voalohany amin’ireo andro fito ireo, dia hisy fanompoam-pivavahana hivorianareo, ka aza manao ny raharaha andavanandro ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Amin’ny andro voalohany hisy fivoriana masina ho anareo, ary tsy hanao asa-mpanompo na inona na inona ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Ary amin’ny andro voalohany dia hisy fivoriana masina ho anareo: aza manao tao-zavatra akory hianareo;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Ary amin'ny andro voalohany dia hisy fivoriana masina ho anareo: aza manao tao-zavatra akory ianareo;

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 23:7
8 Rohy Ifampitohizana  

Amin’ny andro voalohany sy ny andro fahafito dia manaova fivoriana masina ho anareo, ka aza manao raharaha mihitsy ianareo amin’izany afa tsy ny mamboatra izay hohanin’ny tsirairay ihany.


Amin’io andro io, dia hisy fanompoam-pivavahana hivorianareo, ka aza manao ny raharaha andavanandro ianareo: ho fepetra raikitra hatrany hatrany izany ho anareo, na aiza na aiza honenanareo.


Aza manao ny raharaha andavanandro ianareo fa manolora sorona levonina amin’ny afo ho Ahy TOMPO.»


Isan’andro mandritra ireo andro fito ireo, dia sorona levonina amin’ny afo no haterinareo ho AHY. Ary ny andro fahafito, dia hisy indray fanompoam-pivavahana hivorianareo, ka aza manao ny raharaha andavanandro ianareo.»


«Amin’ny andro voalohan’ny volana fahafito dia hisy fivoriana masina ho anareo, ka tsy hanao ny asa fanaonareo andavanandro ianareo fa andro fitsofana trompetra izany.


«Ny andro faha-15 amin’ny volana fahafito, dia hisy fivoriana masina ho anareo, ka tsy hanao ny asa fanao andavanandro ianareo. Hanao fetim-piravoravoana ho voninahitry ny TOMPO mandritra ny herinandro ianareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra