Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Levitikosy 22:8 - DIEM PROTESTANTA

8 Tsy hohanin’ny mpisorona koa ny henam-biby maty ho azy na voaviraviram-bibidia, mba tsy hahatonga azy ho voaloto. Izaho no TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Izay maty ho azy na izay noviraviraim-biby dia tsy hohaniny mba tsy hahaloto azy. Izaho no TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Tsy hohanin’ny mpisorona koa ny henam-biby maty ho azy na voaviraviram-bibidia, mba tsy hahatonga azy ho voaloto. Izaho no TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 Tsy hihinana biby maty ho azy na voaviravira izy mba tsy ho voaloton’izany. Izaho no Iaveh.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Izay maty ho azy, na izay noviravirain-biby, dia tsy hohaniny, mba tsy hahaloto azy: Izaho no Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Izay maty ho azy, na izay noviravirain-biby, dia tsy hohaniny, mba tsy hahaloto azy: Izaho no Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 22:8
8 Rohy Ifampitohizana  

«Olona voatokana ho Ahy ianareo, koa aza mihinana ny hena voaviraviran’ny bibidia, fa atsipazo ho an’ny alika ireny.


Dia namaly aho hoe: –Adray, ry Tompo ANDRIANANAHARY ô, tsy mbola voaloto mihitsy aho! Hatramin’ny fahazazako ka mandraka ankehitriny dia tsy mbola nihinana biby maty ho azy na voaviraviran’ny bibidia aho, ary tsy mbola nikasika ny vavako akory ny hena heverina ho maloto.


Ny mpisorona anefa dia tsy mahazo mihinana ny vorona sy ny biby maty ho azy na noviravirain’ny bibidia.»


«Na iza na iza, Israelita tompontany na vahiny valovotaka, mihinana biby maty ho azy na voaviravira, dia hanasa fitafiana sy handro sady haloto mandra-paharivan’ny andro izy, vao hadio indray.


Ny tavin-kenan’ny biby maty ho azy na voaviraviram-bibidia kosa dia azo anaovan-javatra hafa ihany, saingy tsy azonareo hanina velively.


Aza mihinam-biby maty ho azy fa omeo ho an’ny vahiny izay ao an-tanànanareo izany mba hohaniny, na amidio amin’ny olona hafa firenena. Ianareo manko dia vahoaka voatokana ho an’ny TOMPO Andriamanitrareo. Aza mahandro zanak’osy amin’ny rononon-dreniny.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra