Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Levitikosy 21:6 - DIEM PROTESTANTA

6 Voatokana hanompo Ahy izy, ka tsy hanala baràka ny anarako, satria izy no mpanolotra ny sorona levonina amin’ny afo, dia ny sakafo aroso ho Ahy TOMPO Andriamaniny; noho izany, tokony hitandro ny maha olona voatokana azy ny mpisorona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Ho masina ho an’Andriamaniny izy ireo ka tsy hanamavo ny anaran’Andriamaniny; fa mpanolotra ny fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO izy, dia ny hanin’Andriamaniny, ka ho masina izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Voatokana hanompo Ahy izy, ka tsy hanala baràka ny anarako, satria izy no mpanolotra ny sorona levonina amin’ny afo, dia ny sakafo aroso ho Ahy TOMPO Andriamaniny; noho izany, tokony hitandro ny maha olona voatokana azy ny mpisorona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Ho masina ho an’ny Andriamaniny izy, ary tsy hanevateva ny Anaran’ny Andriamaniny, satria izy ireo dia manolotra amin’i Iaveh ny sorona dorana amin’ny afo, ny mofon’ny Andriamaniny, ho masina izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Ho masina ho an’Andriamaniny izy ka tsy hanamavo ny anaran’Andriamaniny; fa mpanatitra ny fanatitra atao amin’ny afo ho an’i Jehovah izy, dia ny hanin’Andriamaniny, ka dia tokony ho masina.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Ho masina ho an'Andriamaniny izy ka tsy hanamavo ny anaran'Andriamaniny; fa mpanatitra ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah izy, dia ny hanin'Andriamaniny, ka dia tokony ho masina.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 21:6
20 Rohy Ifampitohizana  

Ka hoy aho tamin’ireo mpisorona sy levita ireo: –Tahaka ny maha voatokana anareo ho an’ny TOMPO no maha voatokana an’ireto fanaka ireto ho Azy koa; ny volafotsy sy volamena dia fanomezana an-tsitrapo ho an’ny TOMPO, Ilay Andriamanitry ny razanareo.


Na dia ny mpisorona izay mahazo manatona AHY aza dia tsy maintsy hanoman-tena fandrao mahafaty azy AHO.


«Hisy takela-bolamena madio iray hamboarina, ka hatao miendrika voninkazo ary eo amboniny hasiana soratra voasokitra toy ny amin’ny tombokase hoe: ‹Voatokana ho an’ny TOMPO›.


Ny tenako mihitsy no hanokana ny Tranolay fihaonana sy ny alitara, tahaka ny hanokanako an’i Aharôna sy ny zanany lahy ho mpisorona ho Ahy.


Mialà ianareo mpitondra ny fanaky ny TOMPO, mialà, mivoaha avy ao Babilôna. Aza mikasika izay maloto, fa aoka hadio ianareo no mivoaka tao!


Amin’ny fotoana izay nanoloranareo ny anjara sakafoko, izany hoe ny sabora sy ny ra avy tamin’ny soronareo, dia nampidiranareo vahiny tsy miraiki-po amiko sady tsy voafora tao amin’ny Toeramasina onenako. Nanimbazimba ny tempoliko ireo; ary nivadihanareo kosa ny fanekempihavanako tamin’ny zavatra maharikoriko nataonareo.


Dia hoy i Mosesy tamin’i Aharôna: –Efa voalazan’ny TOMPO izany, fony Izy nanao hoe: «Izay hanakaiky Ahy dia tiako hanaja ny fahamasinako, ary hanome voninahitra Ahy eo anatrehan’ny vahoaka rehetra.» Dia nanao hiram-pisaonana i Aharôna.


«Aza misy omena hatao sorona dorana hanajana ny sampy Môlôka ny zanakao, satria manala baràka ny anaran’Andriamanitrao izany. Izaho no TOMPO.


Aza mianiana amin’ny anarako mba hamitahana satria manala baràka ny anarako izany. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.


Ary Izaho mihitsy no hanandrina izany olona izany ka hofongorako tsy ho anisan’ny vahoaka israelita izy satria natolony ho sorona tamin’i Môlôka ny iray amin’ny zanany; izany no andotoana ny Toeramasina onenako sy analam-baràka ny anarako masina.


mba hamepetra an’i Aharôna hoe: «Hatrany hatrany, izay taranakao misy kilema dia aoka tsy hanatona ny alitara hanolotra ny sakafo aroso ho Ahy Andriamaniny.


Izay mpisorona rehetra misy kilema, amin’ny taranakao, dia tsy mahazo manatona ny alitara mba hanolotra ho AHY ny sorona levonina amin’ny afo; noho izy misy kilema no tsy ahazoany manatona ny alitara hanolotra ny sakafo aroso ho Ahy Andriamaniny.


Kanefa noho izy misy kilema, dia tsy mahazo mankeo amin’ny efitra lamba izy na manatona ny alitara; tsy tokony handoto ny Toeramasina onenako izy, satria Izaho TOMPO efa nanokana ny mpisorona hanompo Ahy.»


Ianareo Israelita kosa dia aoka hihevitra ny mpisorona ho olona voatokana, satria ny sakafo aroso ho Ahy Andriamanitrareo no atolony. Eny, aminareo ny mpisorona dia ho olona voatokana; satria Izaho TOMPO, Izay nanokana anareo Israelita ho vahoakako, dia masina.


Ny anankiray amin’ny mpisorona kosa handoro izany hanetona eo ambonin’ny alitara. Sakafo levonina amin’ny afo ho an’ny TOMPO izany.


ka niteny tamin’i Kôra sy ny namany hoe: –Rahampitso dia hasehon’ny TOMPO izay Azy sy izay masina ary izay afaka manakaiky Azy; dia izay hofidiny no hampanakaikeziny Azy.


«Aoka hotandremanareo ny hanolotra ho an’ny TOMPO, amin’ny fotoana voafetra, ireo fanatitra ho Azy, dia ny sakafo izay hodorana ka hanetona ho hanitra ankasitrahiny.


Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, fanjaka-mpisorona, firenena masina, vahoaka natao ho fananan’Andriamanitra, mba hitory ireo asa lehibe vitan’Andriamanitra Izay niantso anareo hiala tamin’ny haizina ho any amin’ny fahazavana mahagaga.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra