Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Levitikosy 17:6 - DIEM PROTESTANTA

6 Ilay mpisorona kosa hamafy ny ran’ilay biby eo amin’ilay alitaran’ny TOMPO, eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana, ary handoro ny jaborany hanetona ho hanitra ankasitrahina ho an’ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Ary ny mpisorona dia hamafy ny ra amin’ny alitaran’NY TOMPO eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana, dia handoro ny jaborany ka ho fofona manitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Ilay mpisorona kosa hamafy ny ran’ilay biby eo amin’ilay alitaran’ny TOMPO, eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana, ary handoro ny jaborany hanetona ho hanitra ankasitrahina ho an’ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Ny ra, hatopin’ny mpisorona amin’ny ôtelin’i Iaveh, eo anoloan’ny varavaran’ny trano lay fihaonana; ny sabora, hodorany hanetona ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Ary ny mpisorona hanopy ny ra amin’ny alitaran’i Jehovah eo anoloan’ny varavaran’ny trano-lay fihaonana ka handoro ny saborany ho fofona ho hanitra ankasitrahana ho an’i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Ary ny mpisorona hanopy ny rà amin'ny alitaran'i Jehovah eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana ka handoro ny saborany ho fofona ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 17:6
12 Rohy Ifampitohizana  

Halainao ny sabora izay mandrakotra ny tsinainy mbamin’ny saron’atiny ary ny voany roa mbamin’ny sabora eo aminy, dia hodoranao eo ambony alitara avokoa.


Hodoranao ilay biby manontolo mba ho sorona dorana manontolo ho Ahy TOMPO: ho hanitra ankasitrahina ho AHY io sorona io.


«Ireo Levita mpisorona, taranak’i Tsadôka, dia nitandrina kosa ny anjara raharahany momba ny Toeramasina onenako, na dia nivily niala tamiko aza ny Israelita. Noho izany, dia ireo ihany no hahazo manatona hanompo Ahy Tompo sy hanolotra amiko ny sabora sy ny ran’ny sorona; teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.


Amin’izay, dia tsy ho eny an-tsaha intsony no hamonoan’ny Israelita ny biby vonoiny; fa an’ny TOMPO ireny biby ireny ka dia hoentin’ny Israelita ho amin’ny mpisorona, eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana, mba hatolotra ho sorom-pihavanana amin’ny TOMPO.


Ny anankiray amin’ny mpisorona kosa handoro izany hanetona eo ambonin’ny alitara. Sakafo levonina amin’ny afo ho an’ny TOMPO izany.


Ny mpanolotra no hametra-tanana amin’ny lohan’ilay osy ka hamono azy eo anoloan’ny Tranolay fihaonana; ireo taranak’i Aharôna kosa hamafy ny ra manodidina amin’ny rindrin’ny alitara.


Ny anankiray amin’ny mpisorona kosa handoro izany hanetona eo ambonin’ny alitara. Sakafo levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahina izany. «Ny faritra matavy rehetra dia atokana ho an’ny TOMPO.


Ny mpanolotra no hametra-tanana eo amin’ny lohan’ilay omby hatao sorona, ka hamono azy eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana; ireo mpisorona taranak’i Aharôna kosa hamafy ny ra manodidina amin’ny rindrin’ny alitara.


Ireo taranak’i Aharôna kosa handoro izany hanetona eo ambonin’ny alitara, miaraka amin’ireo sorona dorana manontolo eo ambonin’ny kitay mirehitra. Sakafo levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahina ho an’ny TOMPO izany.


Ny mpanolotra no hametra-tanana eo amin’ny lohan’ilay zanakondry ka hamono azy eo anoloan’ny Tranolay fihaonana; ireo taranak’i Aharôna kosa hamafy ny ra manodidina amin’ny rindrin’ny alitara.


Hoesoriny avokoa ny tavin-kena rehetra, tahaka ny fanesorana azy amin’ny sorom-pihavanana, ka hodorany hanetona eo ambonin’ny alitara ho hanitra ankasitrahina ho an’ny TOMPO. Ary rehefa nataon’ny mpisorona tamin’ilay olona ny fombam-pivavahana famelana, dia voavela ny otany.


Fa tsy mba havotanao kosa ny voalohan-teraky ny omby na ny ondry na ny osy satria voatokana ho Ahy ireny. Hararakao eo amin’ny alitara ny rany ary hodoranao manontolo ny saborany ka hanetona ho hanitra ankasitrahina ho AHY izany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra