Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Levitikosy 16:7 - DIEM PROTESTANTA

7 Halainy koa ny osilahy roa ka hapetrany eo anatrehan’ny TOMPO, eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Ary halainy ny osilahy roa ka hapetrany eo anatrehan’NY TOMPO, eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Halainy koa ny osilahy roa ka hapetrany eo anatrehan’ny TOMPO, eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Raha efa izany, halainy ny osy lahy roa, ka hapetrany eo anatrehan’i Iaveh, eo amin’ny varavarana fidirana amin’ny trano lay fihaonana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Ary dia halainy koa ny osilahy roa ka hapetrany eo anatrehan’i Jehovah, eo anoloan’ny varavaran’ny trano-lay fihaonana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Ary dia halainy koa ny osilahy roa ka hapetrany eo anatrehan'i Jehovah, eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 16:7
7 Rohy Ifampitohizana  

«Raha omby no atolotra ho sorona dorana manontolo, dia ombilahy tsy misy kilema no aoka hatolotra; eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana no hitondrany azy mba hankasitrahina eo anatrehan’ny TOMPO.


«Dia hatolotr’i Aharôna ny ombilahy hatao sorona fanalana ny ota ho an’ny tenany; izay izy vao hanao fombam-pivavahana famelan-keloka ho an’ny tenany sy ny ankohonany.


Dia hataon’i Aharôna antsapaka ireo osilahy ireo mba hahafantarana izay osilahy ho an’ny TOMPO sy izay osilahy ho osy mikarenjy.


Izy mpisorombe no hitondra ny ombilahy ho eo akaikin’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana, ho eo anoloan’ny Toeramasin’ny TOMPO; dia hametra-tanana eo amin’ny lohan’ilay ombilahy izy ka hamono azy eo anoloan’ny Toeramasina.


Hatramin’io fotoana io i Jesoa dia nanomboka nilaza mazava tamin’ny mpianany hoe: –Tsy maintsy hankany Jerosalema Aho ka hataon’ny loholona sy ny lohandoha-mpisorona ary ny mpahay lalàna mijaly mafy tokoa, dia hovonoina ho faty; nefa hitsangana velona amin’ny andro fahatelo.


Ry havana, satria efa nanehoan’Andriamanitra ny hatsaram-pony isika, dia manainga anareo aho, mba samy hanolotra ny tenanareo ho sorona velona, voatokana ho an’Andriamanitra sady ankasitrahany. Izany no fanompoam-pivavahana tokony hataonareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra