Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Levitikosy 15:5 - DIEM PROTESTANTA

5 Izay olona mikasika io farafara nandriany io dia hanasa fitafiana sy handro sady haloto mandra-paharivan’ny andro.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Izay rehetra mikasika ny fandrianany dia hanasa ny fitafiany sy handro amin’ny rano ary haloto mandra-paharivan’ny andro.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Izay olona mikasika io farafara nandriany io dia hanasa fitafiana sy handro sady haloto mandra-paharivan’ny andro.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 Izay mikasika ny fandriany dia hanasa ny fitafiany sy handro amin’ny rano ary haloto mandra-paharivan’ny andro.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Ary izay rehetra mikasika ny fandriany, dia hanasa fitafiana sy handro amin’ny rano ary haloto mandra-paharivan’ny andro.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Ary izay rehetra mikasika ny fandriany, dia hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano ary haloto mandra-paharivan'ny andro.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 15:5
31 Rohy Ifampitohizana  

Hanasa tanana aho satria tsy manan-tsiny. TOMPO ô, hanodidina ny alitaranao aho


fony i Natàna mpaminany nankao aminy, rehefa naka an’i Baty-Seba ity mpanjaka.


Jereo fa meloka aho no teraka, mpanota raha notorontoronina;


Hoy indray ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Miverena any amin’ny vahoaka, ka ilazao izy mba hanoman-tena anio sy rahampitso; ary ampanasao azy koa ny fitafiany.


Koa misasà ary midiova ianareo; esory tsy ho hitako intsony ny asa ratsy fanaonareo, atsaharo ny manao ratsy.


Koa ny TOMPOn’izao rehetra izao dia mampandre ahy ny hafatra hoe: «Mianiana Aho fa mandra-pahafatinareo dia tsy havelako mihitsy izany helokareo izany. Izaho Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao no efa niteny.»


Hofafazako rano madio ianareo, dia hadio; eny, hodioviko ho afaka amin’ny fahalotoanareo rehetra sy ny fanompoan-tsampinareo rehetra ianareo.


Hovonjeko ho afaka amin’ny fahalotoanareo rehetra ianareo. Tsy handefasako mosary intsony ianareo fa hampaniriako sady hataoko vokatra be ny varinareo.


«Ireto biby hotanisaina manaraka ireto koa dia hahaloto anareo. Na zovy na zovy mikasika ny fatin’ireo, dia haloto mandra-paharivan’ny andro;


ary na zovy na zovy mitondra ny fatin’ireo, dia haloto koa mandra-paharivan’ny andro sady tsy mainty hanasa fitafiana.


Haloto avokoa, ny zavatra ilatsahan’ny fatiny, na fanaka hazo, na fitafiana, na hoditra, na lasàka, na inona na inona fitaovana ampiasaina; eny, haloto mandra-paharivan’ny andro izany, ary tsy maintsy asoka anaty rano vao hadio.


Hozahan’ny mpisorona indray izy amin’ny andro fahafito; ka raha hitany fa tsy nanitatra sady tsy nandoaka hoditra ny kimavo, dia hambaran’ny mpisorona hoe madio ilay olona; ary hanasa fitafiana izy dia hadio.


Ary hozahan’ny mpisorona indray izy amin’ny andro fahafito ka raha hitany fa mihamatroka ny pentina fotsy sady tsy manitatra eo amin’ny hoditra, dia hambarany hoe madio ilay olona; takopery ihany mantsy izany, ka hanasa fitafiana ilay marary, dia hadio.


ary amin’io menaka am-pelatanany io no hakany amin’ny fanondrony ankavanana ka hanaovany famafazana impito eo anatrehan’ny TOMPO.


«Raha misy vehivavy niray tamin-dehilahy, dia samy handro izy roa sady haloto mandra-paharivan’ny andro.


Maloto avokoa ny farafara andrian’io lehilahy io ary maloto avokoa ny zavatra ipetrahany.


Izay mipetraka amina zavatra nipetrahan’ilay lehilahy mitsika dia hanasa fitafiana sy handro sady haloto mandra-paharivan’ny andro.


«Ilay lehilahy nandroaka ny osilahy ho osy mikarenjy dia hanasa fitafiana sy handro, vao mahazo miditra ny toby.


Ilay lehilahy nandoro azy dia hanasa fitafiana sy handro koa, vao hiditra ny toby.


«Na iza na iza, Israelita tompontany na vahiny valovotaka, mihinana biby maty ho azy na voaviravira, dia hanasa fitafiana sy handro sady haloto mandra-paharivan’ny andro izy, vao hadio indray.


Hanasa ny fitafiany koa ilay hanangona ny lavenon’ny ombivavy, saingy mbola haloto mandra-paharivan’ny andro. Ho lalàna raikitra izany ho an’ny Israelita sy ny vahiny valovotaka ao aminy.


Izay zavatra rehetra voakasiky ny olona maloto dia haloto; ary izay olona mikasika azy koa dia haloto mandra-paharivan’ny andro.»


koa aoka isika hanatona an’Andriamanitra amin’ny fo mahitsy sy amin’ny fahatokiana vokatry ny finoana, rehefa voadio ho afaka amin’ny fieritreretana vesaran’ota ny fontsika ary rehefa voasasa tamin’ny rano madio ny tenantsika.


vao mainka ny ran’i Kristy no hanadio ny fieritreretantsika; fa tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina Izay velona mandrakizay no nanoloran’i Kristy ny tenany ho sorona tsy manan-tsiny ho an’Andriamanitra; ka ny rany dia manadio ny fieritreretantsika ho afaka amin’ireo asa mitondra fahafatesana, mba hanompoantsika an’ilay Andriamanitra velona.


raha izany, dia tsy maintsy ho nijaly matetika Izy hatrizay nahariana an’izao tontolo izao. Fa niseho indray mandeha monja Izy tamin’izao andro tena farany izao, mba hanaisotra ny ota tamin’ny nanolorany tena ho sorona.


Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy. Sasao ny tananareo, ry mpanota; ary diovy ny fonareo, ry mpiroa fo.


Ka novaliako hoe: –Ianao, tompoko, no mahalala! Dia hoy izy tamiko: –Ireo no avy tamin’ny fahoriana lehibe ka nanasa sy namotsy ny akanjony tamin’ny ra nafoin’ilay Zanakondry.


Tamin’io andro io dia tsy niteny na inona na inona i Saoly; noheveriny manko fa nisy sampona tsy nampoizina nahazo an’i Davida, ka mampaloto azy ara-pivavahana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra