Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Levitikosy 14:29 - DIEM PROTESTANTA

29 Ny menaka sisa eo am-pelatanan’ny mpisorona kosa hararany amin’ny lohan’ilay diovina mba hanaovana ny fombam-pivavahana fanadiovana azy eo anatrehan’ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

29 ary ny diloilo sisa eo am-pelatanan’ny mpisorona dia hataony amin’ny lohan’ilay hodiovina mba hanaovana fanavotana ho azy eo anatrehan’NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

29 Ny menaka sisa eo am-pelatanan’ny mpisorona kosa hararany amin’ny lohan’ilay diovina mba hanaovana ny fombam-pivavahana fanadiovana azy eo anatrehan’ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

29 Ilay diloilo sisa eo an-tanany, dia hataon’ny mpisorona amin’ny lohan’ilay midio, hanaovana ny fanonerana ho azy, eo anatrehan’i Iaveh.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

29 ary ny diloilo sisa eo am-pela-tànan’ny mpisorona dia hataony amin’ny lohan’ilay hodiovina hanaovana fanavotana ho azy eo anatrehan’i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

29 ary ny diloilo sisa eo ampela-tànan'ny mpisorona dia hataony amin'ny lohan'ilay hodiovina hanaovana fanavotana ho azy eo anatrehan'i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 14:29
8 Rohy Ifampitohizana  

Ny menaka sisa eo am-pelatanan’ny mpisorona kosa hararany amin’ny lohan’ilay diovina; ary dia eo anatrehan’ny TOMPO no hanaovany ny fombam-pivavahana fanadiovana azy.


sy hanolotra azy eo ambonin’ny alitara miaraka amin’ny fanatitra lafarinina, ary hanao fanintelony ny fombam-pivavahana fanadiovana ho an’ilay diovina, dia ho voadio tokoa izy.


Hotentenan’ny mpisorona amin’io menaka io koa ilay diovina, ka hatentiny eo amin’ny ravin-tsofiny ankavanana sy ny ankiben-tanany ankavanana ary ny ankiben-tongony ankavanana izany, dia eo amin’ireo faritra efa notentenana ny ran’ilay sorom-panonerana.


Dia horaisin’ny mpisorona ny iray amin’ny domohina na ny iray amin’ny voromahailala, arakaraka izay hareny ananan’ilay olona diovina,


Ho azy ireo no anokanako tena aminao, mba ho voatokana ho Anao araka ny hafatra marim-pototra koa ireo.


I Jesoa Kristy dia Ilay avy tamin’ny alalan’ny rano sy tamin’ny alalan’ny ra. Tsy tamin’ny rano ihany no nahatongavany, fa tamin’ny rano sy ny ra; ary ny Fanahy Masina no vavolombelona manambara izany, satria ny Fanahy Masina no fahamarinana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra