Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Levitikosy 14:20 - DIEM PROTESTANTA

20 sy hanolotra azy eo ambonin’ny alitara miaraka amin’ny fanatitra lafarinina, ary hanao fanintelony ny fombam-pivavahana fanadiovana ho an’ilay diovina, dia ho voadio tokoa izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

20 ary ny mpisorona dia hanolotra ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry eo ambonin’ny alitara ka hanao fanavotana ho an’ilay olona hodiovina dia hadio izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

20 sy hanolotra azy eo ambonin’ny alitara miaraka amin’ny fanatitra lafarinina, ary hanao fanintelony ny fombam-pivavahana fanadiovana ho an’ilay diovina, dia ho voadio tokoa izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

20 Dia hovonoiny ny sorona dorana, hatolony eo ambonin’ny ôtely miaraka amin’ny fanatitra, ka hanao ny fanonerana ho an’izany olona izany izy, dia hadio ilay olona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

20 ary ny mpisorona dia hanatitra ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina eo ambonin’ny alitara ka hanao fanavotana ho an’ilay olona hodiovina, dia hadio izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

20 ary ny mpisorona dia hanatitra ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina eo ambonin'ny alitara ka hanao fanavotana ho an'ilay olona hodiovina, dia hadio izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 14:20
4 Rohy Ifampitohizana  

«Amin’ny andro fahavalo, dia ireto avy no zavatra hoentiny; zanakondrilahy roa tsy misy kilema, zanakondrivavy anankiray tsy misy kilema sady vao iray taona, koba lafarinina tsara voaharo menaka sady milanja sivy kilao, ary menaka antsasa-litatra.


Hanasa fitafiana ilay diovina, sy hanaratra ny volo rehetra eo amin’ny tenany ary handro amin’ny rano, dia hadio. Hiditra ao an-toby izy aorian’izany, kanefa hitoetra eo ivelan’ny tranolainy mandritra ny fito andro.


Amin’ny andro fahafito, dia hoharatany avokoa ny volo eo amin’ny tenany, na volon-doha na somotra na manjamaso na volo hafa rehetra; ary hanasa fitafiana izy sady handro amin’ny rano, dia hadio.


Ny fitiavana no aoka hanenika ny fitondrantenanareo, tahaka ny nitiavan’i Kristy antsika sy nanolorany tena tamin’Andriamanitra toy ny fanatitra sy sorona manitra mamerovero ho fanasoavana antsika.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra