Levitikosy 13:52 - DIEM PROTESTANTA52 Hodoran’ny mpisorona ilay fitafiana na lamba na akanjobà volon’ondry na kiran-drongony na fitaovana vita hoditra. Noho ny bobongolo tsy azo esorina, dia hodorana amin’ny afo ilay zavatra voany. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201152 Dia hodorana ny fitafiana, na ny tenony na ny fahany na volon’ondry na lamba rongony na izay zavatra vita tamin’ny hoditra izay misy ny aretina; fa toy ny habokana mafy izany ka hodorana amin’ny afo. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara52 Hodoran’ny mpisorona ilay fitafiana na lamba na akanjobà volon’ondry na kiran-drongony na fitaovana vita hoditra. Noho ny bobongolo tsy azo esorina, dia hodorana amin’ny afo ilay zavatra voany. Jereo ny tokoBaiboly Katolika52 Hodorana ny fitafiana, ny kofehy rongony madinika na volon’ondry hatao tenany na fahany, ny zavatra natao tamin’ny hoditra na inona na inona, izay misy ny fery, fa habokana ratsy izany, hodorana amin’ny afo ny zavatra. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy52 Dia hodorana ny fitafiana, na izay ho tenany, na izay ho fahany, na volon’ondry, na rongony, na izay zavatra natao tamin’ny hoditra, izay misy ny aretina; fa habokana mafy izany, ka dia hodorana amin’ny afo. Jereo ny tokoMalagasy Bible52 Dia hodorana ny fiafiana, na izay ho an'ny tenany, na izay ho fahany, na volon'ondry, na rongony, na izay zavatra natao tamin'ny hoditra, izay misy aretina; fa habokana mafy izany, ka dia hodorana amin'ny afo. Jereo ny toko |