Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Levitikosy 13:51 - DIEM PROTESTANTA

51 Amin’ny andro fahafito dia hozahany indray ny holatra, ka raha nitaran’izany ilay fitafiana na lamba na akanjobà na hoditra na fitaovana vita hoditra, dia bobongolo tsy azo esorina izany ka maloto ilay zavatra voany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

51 Hozahany indray ny aretina amin’ny andro fahafito, koa raha niitatra teo amin’ny fitafiana ny aretina, na teo amin’ny tenony na ny fahany na teo amin’izay zavatra vita tamin’ny hoditra, dia toy ny habokana izany ka maloto.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

51 Amin’ny andro fahafito dia hozahany indray ny holatra, ka raha nitaran’izany ilay fitafiana na lamba na akanjobà na hoditra na fitaovana vita hoditra, dia bobongolo tsy azo esorina izany ka maloto ilay zavatra voany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

51 Amin’ny andro fahafito hozahany ny fery, ka raha nanitatra ny fery amin’ny hoditra, na amin’ny zavatra natao tamin’ny hoditra, na inona na inona izany, dia habokana ratsy izany ka maloto io zavatra io.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

51 Ary raha zahany ny aretina amin’ny andro fahafito, ka nanitatra teo amin’ny fitafiana ny aretina, na teo amin’izay ho tenany, na izay ho fahany, na teo amin’izay zavatra natao tamin’ny hoditra, dia habokana mafy izany, ka dia maloto.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

51 Ary raha zahany ny aretina amin'ny andro fahafito, ka nanitatra teo amin'ny fitafiana ny aretina, na teo amin'izay ho tenany, na izay ho fahany, na teo amin'ny zavatra natao tamin'ny hoditra, dia habokana mafy izany, ka dia maloto.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 13:51
5 Rohy Ifampitohizana  

amina lamba sy akanjobà volon’ondry na kiran-drongony, amina hoditra na fitaovana vita hoditra, dia izao sy izao no hatao.


Rehefa nozahan’ny mpisorona ilay holatra, dia hatokany toerana mandritra ny fito andro ilay zavatra bobongolo.


Hodoran’ny mpisorona ilay fitafiana na lamba na akanjobà volon’ondry na kiran-drongony na fitaovana vita hoditra. Noho ny bobongolo tsy azo esorina, dia hodorana amin’ny afo ilay zavatra voany.


Amin’ny andro fahafito no hiverina ao indray ny mpisorona mba hizaha ny trano; raha hitany fa manitatra eo amin’ny rindrina ilay pentina,


dia ho tonga ny mpisorona mba hizaha ilay trano. Raha hitany fa nanitatra tokoa ny pentina, dia bobongolo raiki-tampisaka, ka maloto ilay trano.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra