Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Levitikosy 13:34 - DIEM PROTESTANTA

34 Hozahan’ny mpisorona indray izy amin’ny andro fahafito; ka raha hitany fa tsy nanitatra sady tsy nandoaka hoditra ny kimavo, dia hambaran’ny mpisorona hoe madio ilay olona; ary hanasa fitafiana izy dia hadio.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

34 Hozahan’ny mpisorona ilay be hatina amin’ny andro fahafito, koa raha hitany fa tsy niitatra teo amin’ny hoditra ny aretiny, ary tsy lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, dia hambaran’ny mpisorona fa madio izy. Hanasa ny fitafiany izy dia hadio.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

34 Hozahan’ny mpisorona indray izy amin’ny andro fahafito; ka raha hitany fa tsy nanitatra sady tsy nandoaka hoditra ny kimavo, dia hambaran’ny mpisorona hoe madio ilay olona; ary hanasa fitafiana izy dia hadio.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

34 ka amin’ny andro fahafito ny mpisorona hizaha ny fery kimavo indray: raha tsy nanitatra eo amin’ny hoditra ny kimavo, sady tsy latsaka ambany noho ny hoditra no fijery azy, dia holazain’ny mpisorona hoe madio izany olona izany, ka hanasa ny fitafiany izy, dia hadio.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

34 Ary raha zahan’ny mpisorona amin’ny andro fahafito ny kongonina, ka hitany fa tsy nanitatra teo amin’ny hoditra ny aretiny, ary tsy lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, dia hataon’ny mpisorona hoe madio izy; ary hanasa ny fitafiany izy, dia hadio.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

34 Ary raha zahan'ny mpisorona amin'ny andro fahafito ny kongonina, ka hitany fa tsy nanitatra teo amin'ny hoditra ny aretina, ary tsy lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, dia hataon'ny mpisorona hoe madio izy; ary hanasa ny fitafiany izy, dia hadio.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 13:34
6 Rohy Ifampitohizana  

dia hozahan’ny mpisorona izany. Raha hitany fa mandoaka hoditra ny fery sady misy volo madinika tomamotamo eo, dia hambaran’ny mpisorona hoe maloto ilay olona; fa kimavo izany ka aretin-koditra mamely ny loha na ny saoka.


dia tokony hiharatra ilay marary, saingy ny faritra misy fery tsy hoharatany; ary hatokan’ny mpisorona toerana fanindroany mandritra ny fito andro izy.


Fa raha taorian’ny nanambarana an’ilay olona hoe madio no nitaran’ny kimavo teo amin’ny hodiny,


Ry hava-malala, aza mino izay rehetra milaza hoe manana ny Fanahy Masina, fa zahao toetra ireo hahafantarana raha toa ny Fanahy Masina avy amin’Andriamanitra no manentana azy; satria maro ny mpaminany sandoka eran’izao tontolo izao.


Reseo lahatra ny sasany izay miahanahana;


Fantatro ny asanao sy ny fikelezanao aina ary ny faharetanao, mbamin’ny tsy fahazakànao ny ratsy fanahy; efa nozahanao toetra ireo milaza ny tenany ho apôstôly, kanjo tsiizy ary hitanao fa mpandainga ireo;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra