Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Levitikosy 13:33 - DIEM PROTESTANTA

33 dia tokony hiharatra ilay marary, saingy ny faritra misy fery tsy hoharatany; ary hatokan’ny mpisorona toerana fanindroany mandritra ny fito andro izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

33 dia hiharatra izy fa tsy hoharatany ny misy ny aretina. Hatokan’ny mpisorona toerana mandritra ny hafitoana indray ilay olona be hatina.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

33 dia tokony hiharatra ilay marary, saingy ny faritra misy fery tsy hoharatany; ary hatokan’ny mpisorona toerana fanindroany mandritra ny fito andro izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

33 dia hiharatra ilay voan’ny kimavo, afa-tsy amin’izay misy ny fery, ary hanokan-toerana azy hafitoana indray ny mpisorona;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

33 dia hiharatra izy, fa ny misy ny aretina tsy hoharatany; ary hatokan’ny mpisorona toerana hafitoana indray ilay olona kongonina.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

33 dia hiharatra izy, fa ny misy ny aretina tsy hoharatany; ary hatokan'ny mpisorona toerana hafitoana indray ilay olona kongonina.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 13:33
4 Rohy Ifampitohizana  

dia hozahan’ny mpisorona izany. Raha hitany fa mandoaka hoditra ny fery sady misy volo madinika tomamotamo eo, dia hambaran’ny mpisorona hoe maloto ilay olona; fa kimavo izany ka aretin-koditra mamely ny loha na ny saoka.


Hozahan’ny mpisorona indray ny fery amin’ny andro fahafito; ka raha hitany fa tsy nanitatra sady tsy nandoaka hoditra ny kimavo ary misy volo tomamotamo eo,


Hozahan’ny mpisorona indray izy amin’ny andro fahafito; ka raha hitany fa tsy nanitatra sady tsy nandoaka hoditra ny kimavo, dia hambaran’ny mpisorona hoe madio ilay olona; ary hanasa fitafiana izy dia hadio.


Raha misy pentina fotsy mangirana kosa eo amin’ny hoditry ny olona, nefa tsy mandoaka hoditra no fahitana io pentina io sady tsy niova ho fotsy ny volo eo, dia hatokan’ny mpisorona toerana mandritra ny fito andro ilay marary.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra