Levitikosy 13:30 - DIEM PROTESTANTA30 dia hozahan’ny mpisorona izany. Raha hitany fa mandoaka hoditra ny fery sady misy volo madinika tomamotamo eo, dia hambaran’ny mpisorona hoe maloto ilay olona; fa kimavo izany ka aretin-koditra mamely ny loha na ny saoka. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201130 dia hozahan’ny mpisorona ny aretina, koa raha lalina noho ny hoditra ny fijeriny azy ary misy volo madinika somary vonivony eo dia hambaran’ny mpisorona fa maloto izy. Be hatina izany: Habokana eo amin’ny loha na eo amin’ny saoka. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara30 dia hozahan’ny mpisorona izany. Raha hitany fa mandoaka hoditra ny fery sady misy volo madinika tomamotamo eo, dia hambaran’ny mpisorona hoe maloto ilay olona; fa kimavo izany ka aretin-koditra mamely ny loha na ny saoka. Jereo ny tokoBaiboly Katolika30 Raha hita fa latsaka ambany noho ny hoditra no fijery azy, sady misy volo madinidinika tomamotamo eo, dia holazain’ny mpisorona hoe maloto izany olona izany, satria kimavo izany, habokàn-doha na habokàn-tsaoka. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy30 ary zahan’ny mpisorona ny aretina, ka lalina noho ny hoditra ny fijeriny azy, ary misy volo madinika tomamotamo eo, dia hataon’ny mpisorona hoe maloto izy: olona kongonina izany, dia habokana eo amin’ny loha na eo amin’ny saoka izy. Jereo ny tokoMalagasy Bible30 ary zahan'ny mpisorona ny aretina, ka lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, ary misy volo madinika tomamotamo eo, dia hataon'ny mpisorona hoe maloto izy, olona kongonina izany, dia habokana eo amin'ny loha na eo amin'ny saoka izy. Jereo ny toko |