Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Levitikosy 13:28 - DIEM PROTESTANTA

28 Raha tsy niova sady tsy nanitatra kosa ilay pentina fotsy teo amin’ny hoditra, fa nihamatromatroka, dia pentina mamontsina eo amin’ny faritra may izany; ary hambaran’ny mpisorona hoe madio ilay olona fa holatry ny faritra may ihany izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

28 Raha tsy mitombo ny mifaritra fotsy mangirana ary tsy niitatra teo amin’ny hoditra fa matromatroka ihany nefa mamontsina eo amin’ny may dia hambaran’ny mpisorona fa madio izy satria holatry ny may ihany io.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

28 Raha tsy niova sady tsy nanitatra kosa ilay pentina fotsy teo amin’ny hoditra, fa nihamatromatroka, dia pentina mamontsina eo amin’ny faritra may izany; ary hambaran’ny mpisorona hoe madio ilay olona fa holatry ny faritra may ihany izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

28 Fa raha nijanona amin’izay nisy azy ihany ilay hodi-potsy, fa tsy nanitatra eo amin’ny hoditra, sady nihamatromatroka, dia ny mamontsina avy amin’ny may izany, ka holazain’ny mpisorona hoe madio izy, satria holatry ny may izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

28 Ary raha tsy mitombo ny mifaritra fotsy mangirana ka tsy nanitatra teo amin’ny hoditra, fa matromatroka ihany, dia mamontsina eo amin’ny may izany; ary hataon’ny mpisorona hoe madio izy, fa fahamaimaizana ihany izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

28 Ary raha tsy mitombo ny faritra fotsy mangirana ka tsy nanitatra teo amin'ny hoditra, fa matromatroka ihany, dia mamontsina eo amin'ny may izany; ary hataon'ny mpisorona hoe madio izy fa fahamaimaizana ihany izany.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 13:28
2 Rohy Ifampitohizana  

Hozahan’ny mpisorona izy amin’ny andro fahafito; ka raha hitany fa manitatra tokoa ilay pentina teo amin’ny hoditra, dia hambarany hoe maloto ilay olona fa aretina miendrika habokana izany.


«Raha misy lehilahy na vehivavy manana fery eo amin’ny lohany na eo amin’ny saokany,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra