Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Levitikosy 13:27 - DIEM PROTESTANTA

27 Hozahan’ny mpisorona izy amin’ny andro fahafito; ka raha hitany fa manitatra tokoa ilay pentina teo amin’ny hoditra, dia hambarany hoe maloto ilay olona fa aretina miendrika habokana izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

27 Hozahan’ny mpisorona indray izany amin’ny andro fahafito, koa raha niitatra teo amin’ny hoditra io dia hambarany fa maloto. Habokana izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

27 Hozahan’ny mpisorona izy amin’ny andro fahafito; ka raha hitany fa manitatra tokoa ilay pentina teo amin’ny hoditra, dia hambarany hoe maloto ilay olona fa aretina miendrika habokana izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

27 raha nanitatra eo amin’ny hoditra ilay hodi-potsy, dia holazain’ny mpisorona hoe maloto izy, satria fery habokana izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

27 ary raha zahan’ny mpisorona amin’ny andro fahafito izy, ka nanitatra mihitsy teo amin’ny hoditra izany, dia hataony hoe maloto: habokana izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

27 ary raha zahan'ny mpisorona amin'ny andro fahafito izy, ka nanitatra mihitsy teo amin'ny hoditra izany, dia hataony hoe maloto: habokana izany.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 13:27
6 Rohy Ifampitohizana  

«Raha misy faritra mamontsina na faritra manakopery na pentina mangirana eo amin’ny hodi-nofon’ny olona, ka manjary aretina miendrika habokana izany, dia hoentina ilay olona ho eo amin’i Aharôna mpisorona na ho eo amina mpisorona anankiray anisan’ny taranany.


Raha voazahan’ny mpisorona kosa izy, ka hitany fa tsy mandoaka hoditra sady matromatroka ihany ilay pentina ary tsy misy hoditra sady matromatroka ihany ilay pentina ary tsy misy fotsy ny volo eo, dia hatokan’ny mpisorona toerana mandritra ny fito andro ilay olona.


Raha tsy niova sady tsy nanitatra kosa ilay pentina fotsy teo amin’ny hoditra, fa nihamatromatroka, dia pentina mamontsina eo amin’ny faritra may izany; ary hambaran’ny mpisorona hoe madio ilay olona fa holatry ny faritra may ihany izany.


Fa raha taorian’ny nanambarana an’ilay olona hoe madio no nitaran’ny kimavo teo amin’ny hodiny,


Raha manitatra eo amin’ny hodiny kosa ny manako-pery, taorian’ny nisehoany tamin’ny mpisorona ka efa nanambarany azy hoe madio, dia hiseho amin’ny mpisorona indray izy.


Amin’ny andro fahafito no hiverina ao indray ny mpisorona mba hizaha ny trano; raha hitany fa manitatra eo amin’ny rindrina ilay pentina,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra